ALAHADY 01/06/2025

Miarahaba antsika rehetra !

P. Barnabé no nitarika ny lamesa ny alahady 1 jiona 2025 teo ; niaraka nanolotra ny sorona masina taminy i P. Fulgence. Ny “Ekipa sôlida” no nanomana sy nanentana ny litorjia ary i Hervé no nitendry ny zavamaneno. 

Fampahatsiahivana : Hatao batemy ao amin’ny Chiesa san Macuto i VELONDRAZA Kelsie, zana-dRANDRIANIRINA  Herizo Brice sy VELONDRAZA Fabienne, amin’ny alahady 8 jiona 2025. Toy ny mahazatra dia hanomboka amin’ny 9:45 ny sorona masina. Aorian’ny sorona masina dia hisy fialana hetaheta homanin’ny fianakavian’ny handray fahasoavana izay anasana antsika rehetra. 

Fampahatsiahivana : Hamafisina amintsika fa hisy fihaonana amin’ireo evekantsika avy any Madagasikara amin’ny alahady 15 jiona 2025 izao. Andrasana handalo aty Roma daholo ireo eveka. Ny toerana hiarahantsika amin’izy ireo dia any amin’ny Collegio San Paolo (via di Torre Rossa, 40 – 00165). Lamesa, fiaraha-misakafo, korana no ho endriky ny fihaonantsika. Amin’ny 9:00 ny fahatongavanna any ary amin’ny 17:30 ny fodiantsika. Hosantarintsika amin’ny sorona masina izay hanomboka amin’ny 10:30 maraina ny fotoana. Ny litorjia amin'io andro io dia hiandraiketan'ny M.D.M.K., ka afaka miantso olona hanatevin-daharana azy amin'ny hira izy ireo. Momba ny sakafo hiarahana : ankoatr'ireo zavatra efa homanin'ny Ankohonana Rasoamanarivo dia asaina koa ny tsirairay sy ny fikambanana hanomana sy hivimbina izay azo ifampizarana.

Mirary herinandro sambatra ho antsika.

P. Pascal, sj