Alahady 01/10/2023

Miarahaba antsika rehetra !

Niombona tamin'ny "Zanaky ny diosezin'Ambanja" isika ny alahady 1 ôktôbra 2023 teo tany amin'ny Parrocchia Nostra Signora de la Salette (Piazza Madonna de la Salette 1, 00152 Roma). Mgr Donatien, evekan'Ambanja, no nitarika ny sorona masina, notronin'ireo pretra sy diakra. Ny Zanaky ny diosezin'Ambanja no nanomana ny fihaonana ary izy ireo ihany koa no nanentana ny litorjia. Naneho ny hafaliana tamin'ny fanomezam-boninahitra an'And/tra ny "Ankohonana" tamin'ny alalan'ny fihetsika nandritra ny hiran'ny "voninahitra". Misaotra antsika rehetra niara-nisalahy sy niombona tamin'iny fiarahantsika iny. Isaorana manokana ny Zanaky ny diosezin'Ambanja nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka iny fihaonana iny.

Hankalaza ny fetin'ny Ankohonana V. Rasoamanarivo isika amin'ny alahady 8 ôktôbra 2023. Ao anatin'ny fiomakomanana amin'izany isika amin'izao. Any amin'ny Via Odoardo Beccari 43, 00154 Roma (zona Ostiense) no hanaovantsika an'izany. Amin'ny 9 ora ny fahatongavana, manomboka ny lamesa isika amin'ny 10 ora, tohizana amin'ny sakafo sy korana isan-karazany ary hofaranantsika amin'ny 5:30 hariva. Mgr Pascal, evekan'Antsirabe, no hitarika ny sorona masina, miaraka amin'ny Mgr Donatien, evekan'Ambanja sy ireo pretra sy diakra ho tonga amin'io fotoana io. Iombonana ny litorjia amin'ny maha fety azy, fa ifampizarana ihany koa : ny Fraternità no manentana, vakiteny voalohany sy ny salamo ataon'ny Saint Augustin, hataon'ny relijiozy ny vakiteny faharoa ary ny ranombavaka hifarimbonan'ny MDMK sy ELVIR.

Ho fanomanana io fety io ihany dia hisy ekipa hihaona any an-toerana (via Odoardo Beccari 43) ny sabotsy 7 ôktôbra amin'ny 2 tolakandro. Asaina amin'io sabotsy io isika izay afaka tonga. Hijery ny toerana isika, handamina izay zavatra tokony alamina mialoha, hijery mazava any an-toerana ny lamin'asa tokony hifampizarana.

Aza hadinontsika ihany koa ny mba miomankomana amin'ny fanehoana talenta isan-karazany fa hisy sehatra malalaka hanehoantsika an'izany amin'io fotoana io : isaky ny fikambanana, isan-gropy miforona, aingam-panahin'olon-tokana........Toy izany koa eo amin'ny resaka sakafo, ankoatr'izay homanin'ny Ankohonana, dia entanina koa ny fikambanana tsirairay hitondra sy haneho ny fahaizamanaony avy hifampizantsika.

Izay àry fa dia mirary soa antsika rehetra,

P. Pascal sj