Alahady 01/12/2024

Miarahaba antsika rehetra !

Sady niditra amin’ny taom-baovaon’ny Fiangonana isika, taona D, no nankalaza ny alahady voalohany amin’ny Fiaviana ny alahady 1 desambra 2024 teo. P. Pascal no nitarika ny lamesa tamin’izany, niaraka tamin’ny môpera Frésie sy Joslin. D. Rémi no nanatontosa ny raharahan’ny Diakra. Nanomana sy nanentana ny litorjia kosa ny Ekipa sôlida, niaraka tamin’i Hervé teo amin’ny fitendrena zavamaneno. Taorian’ny lamesa dia nisy famerenana ny litorjian’ny mariazin’i Thommass sy Anna Brigitte. 
Tamin’io andro io ihany, tamin’ny 4 ora tolakandro, dia nisy ny solontenantsika namonjy fiaraha-mivavaka tany amin’ny Fiangonana rahavavy (tao amin’ny Via 4 novembre), nitondrana am-bavaka ny fahalasan’i Tompokolahy Danny sy fankaherezana ho an'ny fianakaviana nilaozany.

Mitondra am-bavaka sy miombona amin’i Thommass sy Anna Brigitte isika amin’ny fitsofan-drano ny fanambadian’izy ireo, izay hatao ny sabotsy 7 desambra 2024 izao. 

Araka ny efa fantantsika dia hanao récollection any Teramo isika amin’ny alahady 8 desambra (alahady ho avy izao). Amin’ny 7:15 maraina ny fahatongavantsika any amin’ny Piazzale dei Partigiani (Ostiense) satria miainga ao isika amin’ny 7:30 (mi raccomando !). Hiaraka hamonjy lamesa amin’ny paroasy any an-toerana isika amin’ny 11 ora ka hisy hira iray nangatahina amintsika ary efa niomanantsika izany. Amin’ny 5 ora hariva kosa ny fialana any Teramo hitodi-doha ho aty Roma.

Amin’ny alahady 15 desambra 2024 indray izany isika vao mihaona ao amin’ny fiangonantsika Bellarmino. Amin’izay dia anjaran’ny M.D.M.K. no manomana sy manentana ny litorjia (alahady fahatelo amin’ny Fiaviana D)

Mirary soa ho antsika rehetra !

P. Pascal, sj