Alahady 03/03/2024

Ny alahady 3 martsa teo dia i mômpera Jocelin no nitarika ny sorona masina ary i mompera Barnabé sy mompera Faly no nanotrona azy. Francel no nanao ni-servy ary i Hervé no nitendry ny vatamaroafitsoka. Ny ekipa sôlida no nanentana ny litorjia sy nikarakara ny "chocolat chaud".

Mihatsara hatrany ny fotoanan'ny "chocolat chaud" satria tsy nijanona tamin'ny chocolat fotsiny fa nisy tsakotsako miaro voanio mbola nafana tsara, godrogodro, salami, fromage, mofo sakay, oliva, nuggets sy zavatra maro hafa koa tao ka ankasitrahana isika rehetra nandray anjara.  

Amin'ny alahady 10 mars dia anjaran'ny pretra sy  relijiozy no manentana ny litorjia, sady alahady hanaovantsika ny "récollection" io ka tsy hisy lamesa ao amin'ny San Macuto fa any amin'ny via Appia Nuova 884, 00178 roma , no fotoanantsika.
I mompera Jocelin no hitondra ny vatsim-panahy amin'io, ka toa izao ny fandaharam-potoana :     

Samy mivimbina sakafo atoandro (marihina fa tsy afaka hampiasa lakozia isika any ka sakafo vonona hohanina no entina) 

  • Amin'ny 9h30 ny fahatongavana
  • Amin'ny 10h ny fanombohana 
  • Amin'ny 10h45 hisy fakan-drivotra kely
  • Amin'ny 11h ka hatramin'ny 12h dia samy manao vavaka mangina sady fandraisana ny sakramentan'ny fampihavanana
  • Amin'ny 12h ka hatramin'ny 14h ny sakafo sy famerenan-kira ary làlan'ny hazofijaliana
  • Amin'ny 15h no hamintinana ny dinidinika ary aorian'izay ny Sorona Masina
  • Amin'ny 17h ny fandaminana ny toerana
  • Amin'ny 17h30 isika misaraka, mody. 

Ny alahady teo, taorian'ny lamesa, moa no nanomana ny litorjian'ny "Triduum pascal" ny birao ka hoezahina omena  ny vondrona tsirairay amin'ny alahady ho avy izao ny anjara andraikitra miandry azy ireo amin'izany mba hiomanany dieny izao.  
Entanina hatrany  ireo ekipa rehetra manomana ny litorjia isam- bolana mba hijery akaiky ny tetiandro efa nalefa any amin'ny serasera any. Tsy ny litorjia  ihany no any fa misy ny fandaharam-potoana sasany toy ny "chocolat chaud" sy ny "fivoahanana ivelan'ny Ankohonana izay mbola entina am-bavaka araka ny fangatahantsika.
Angatahina ihany koa ireo vondrona tsirairay ireo hanao jery todika ny mety ho fanatsarana ny litorjia, handefa soso-kevitra mahakasika izany ary handefa izany any amin'ny aumônier, ka mba tsy hijanona amin'ny fombafomba ivelany fotsiny ny soso-kevitra aroso fa hiditra amin'ny tena votoatiny sy ny tena zava-dehibe ilaina handrindrana ny litorjia ao am-piangonana.
Isika tsy ao anatin'ny fikambanana koa dia afaka mandefa izay mety ho hitantsika ho fanatsarana izany litorjia izany. Aorian'izay zavatra tapak'ireo tompon'andraikitra amin'izany dia ho lazaina ampahibemaso ny mety ho endrika iombonana hitondrantsika azy mba tsy hisian'ny fisarantsarahana.

Mbola tolorana fisaorana hatrany ianareo rehetra izay mbola manohy mandefa solom-bokatra hatramin'izao.

Farany sady zava-dehibe indrindra, isaorana  ianareo rehetra izay nandeha namangy ny aumônier tany amin'ny hopitaly. Mbola tsy voafetra moa ny fotoana hijanonany any ka entintsika am-bavaka hatrany izy. Mbola azontsika vangiana foana koa izy any ho an'ireo izay te-hamangy azy.    

Mirary ny soa sy ny tsara ho antsika rehetra.