ALAHADY 08/06/2025

Miarahaba antsika rehetra !

P. Pascal no nitarika ny sorona masina ny alahady 8 jiona 2025 teo, izay nankalazantsika ny pantekôty, niaraka tamin’i P. Fulgence, P. Herman, P. Eugène ary P. Joslin.  Ny relijiozy no nanomana ny litorjia ary ny komity no nanentana azy. P. Joslin sy Mr Silvestro kosa no teo amin’ny fitendrena zavamaneno. 

Nandritra io sorona masina io ihany koa no nanaovana batemy an’i VELONDRAZA Kelsie ka mamerina ny fiarahabana azy eto isika noho ny fahasoavana noraisiny. Taorian’ny lamesa moa dia nisy ny fiaraha-miala hetaheta.

Akaiky ny alahady 15 jiona 2025 izay hiarahantsika amin’ireo eveka avy any Madagasikara any amin’ny Collegio San Paolo, via di Torre Rossa, 40, 00165 Roma. Amin’ny 9 ora maraina ny fahatongavantsika ; amin’ny 10:30 ny sorona masina, arahina sakafo iarahana, resadresaka amin’ireo eveka. Faranantsika amin’ny 5:30 hariva ny fotoanantsika. Ny M.D.M.K. no manomana sy mandrindra ny litorjia. 

Misy fifandaminana kely amin’io andro io : koa satria nentanina ny olona hivimbina zavatra hifampizarana (toy ny laoka, zavapisotro, voankazo), dia angatahana ny “Ekipa sôlida” sy ny “Fraternità” mba handray ny laoka entin’ny olona eo am-pahatongavana ; ny ELVIR sy M.D.M.K. mandray ny zavapisotro ary ny relijiozy manangona ny voankazo. Misy ny filazana mety mila ampitaina aoriana kely ao amin’ny whatsApp Rasoamanarivo (toy ny fikarakarana sakafo sy toerana ny sabotsy tolakandro). Mety hisy ihany koa ny zavatra tsy maintsy eny an-toerana vao ifandaminana fa samia vonona isika.

Mirary soa antsika rehetra !

P. Pascal, sj