Alahady 03/09/2023

Miarahaba antsika rehetra !

Natomboka ny alahady 3 septambra 2023 teo ny taom-pikatrohana pastoraly 2023-2024. Niaraka tamin'i Mgr Gabriel (Tsiroanomandidy) sy Mgr Donatien (Ambanja) isika, izay tonga hiatrika fiofanana eto Roma mandritra ny roa herinandro. Mgr Gabriel no nitarika ny sorona masina ary i Mgr Donatien no nitondra ny fampianarana tamin'ny alalan'ny toriteny. Misaotra betsaka azy ireo ary faly hatrany isika mandray azy ireo satria mety mbola hisy fotoana ihany koa hahafahan'izy ireo hifanerasera amintsika eto Roma. Isaorana ihany koa ireo pretra niara-nisorona nanotrona an'izy ireo : P.P. Aimé, Frésie, Désiré, Faly, Pascal. Ankasitrahana ireo nisahana andraikitra manokana toy ny mpiservy (Seba), mpitaty rakitra, mpandravaka fiangonana sy otely. Tsy hadinontsika ihany koa ny mitondra fiasaorana mitafotafo ny ekipa Saint Augustin izay nanomana sy nanentana ny litorjia. Anjaran'ny Pretra sy Relijiozy indray ny fanentanana ny litorjia amin'ny alahady 10 septambra 2023 ho avy izao.

Nisy fandraisam-pahasoavana manokana maromaro tato ho ato, na tany Madagasikara na taty italia. Nohamasinina ho pretra tany Ambositra i P. Simon (sj) ny 6 Aogositra 2023 lasa teo ; nanao ny voady farany tany Fianarantsoa i Fr Fabrice (SDB) ny 20 aogositra 2023 ; nankalaza ny fobily faha-25 taonan'ny naha-relijiozy azy ny 28 aogositra 2023 teo ry Masera Henriette, Anatolie ary Odile Olga, izay samy ao amin'ny Fikambanana Suore Discepole del Sacro Cuore. Nampita fisaorana ho an'ny Ankohonana izy ireo noho ny fiombonam-bavaka sy fanotronana azy ireo.

Araka ny fanaontsika dia misy fandiovana faobe atao ao amin'ny fiangonantsika isam-bolana. Anjaran'ny gropy tompon'andraikitra ny mitady fotoana mety amin'izy ireo hanatanterahana izany (mety ho sabotsy hariva, mety ho alahady aorian'ny lamesa). Atomboka volana oktobra ilay izy ary anjaran'ny "Saint Augustin" amin'izany.

Araka ny efa nolazaina ombieny ombieny dia naraikitra ho amin'ny 8 oktobra 2023 ny fankalazantsika miaraka ny fetin'ny Ankohonana. Nitady toerana hahafahana mankalaza an'izany fety izany isika ka tapaka ary fa ao amin'ny Casa Generalizia n-dry môperan'ny Sainte Famille no hanaovantsika izany. Toerana efa nankalazantsika ny fetin'ny Victoire Rasoamanarivo ihany koa io tamin'ny 2022, Via Odoardo Beccari, 43, 00154 Roma (zona Ostiense). Entanina dieny izao isika raha misy hetaheta ho entina manatsara sy manamasaka kokoa ny fety.

Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra

P. Pascal sj