Alahady 03/12/2023

Miarahaba antsika rehetra !

Misaotra antsika tonga niara-nivavaka tamin'iny alahady voalohany amin'ny Fiaviana iny - 3 desambra 2023 - sady nanombohantsika ny taona litorjika vaovao (B). P. Pascal no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin'i P. Jean de Dieu (avy any R. Calabria fa nandalo teto Roma). P. Joslin no nitendry ny zavamaneno ; ny "Saint Augustin" no nanomana sy nanentana ny litorjia. Araka ny efa fantatsika moa dia tamin'io alahady 3 desambra 2023 io no andro farany nitondran'ny Gropy ny anarana hoe "Saint Augustin", fa ny firotsahan'izy ireo ao amin'ny Ankohonana kosa dia mitohy ary inoana fa hihamafy hatrany aza.

Anjaran'ny Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy - hisolotena azy ireo amin'izany ny Masera Orsoline di Verona - ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia amin'ny alahady 10 desambra 2023. Amin'io andro io dia natokantsika hanaovana ny récollection fiomanana amin'ny Noely 2023. Ao amin'ny fiangonana San Macuto ihany no hanaovantsika ity récollection ity (via del Seminario 120) ary P. Aimé no hitarika azy. Samia mivimbina sakafo atoandro na "panino" hifampizarana.  Tongava daholo hiara-hiomana amin'ny Noely 2023 isika ! Toy izao no ho endriky ny fandaharam-potoanantsika araka izay efa nohazavaina tao am-piangonana :

9:30 - 11:00 : Fampianarana

11:00 - 11:20 : Pause café - thé (an-toerana fa tsy ivelany)

11:25 - 11:55 : Vavaka (na partage en groupe araka ny efa nohazavaina tamintsika), kôfesy

12:00 : Sakafo atoandro

13:20 - 13:45 : Chapelet miaraka

13:50 - 14:20 : Fampianarana (Conférence conclusive)

14:30 : Lamesa famaranana

Hisy sorona masina fankalazana an'i Masina Maria Virjiny notorontoronina tsy azon-keloka ao amin'ny fiangonantsika San Macuto (via del Seminario 120) amin'ny 8 desambra 2023 izao. Hanomboka amin'ny 9:30 ny sorona masina. Ny M.D.M.K., izay hanao fanavaozana amin'io andro io, no hanentana ny litorjia. Aorian'ny Sorona masina dia hisy fanamarihana ny fety, ka hanomana tsaingotsaingoka sy fialana hetaheta ho antsika rehetra ny M.D.M.K. Afaka mivimbina izay zaka koa isika hifampizarana. Maniry ny fahatongavantsika ny M-D.M.K. mba hanotrona azy ireo amin'ny fanavaozana hataon'izy ireo sy ho fiarahana mankalaza ny fetin'i Masina Maria.

Ampahatsiarovina antsika hatrany ny fanasan'ireo Frera karma : Faly manasa antsika hiara-mivavaka amin'izy ireo amin'ny voady farany izay hataony ry frera Zoel Michel Andriamasoandro sy Todisoa Herinambinina. Izany dia hataon'izy ireo ao amin'ny Capella del Teresianum, piazza di San Pancrazio 5/A, 00152 Roma, ny 14 desambra 2023 amin'ny 16:30 (araka ny Fanasana efa nampitaina tamintsika).

Amin'ny alahady 7 janoary 2024 no hanao fifampiarahabana tratry ny taona ny Ankohonana Rasoamanarivo. Any amin'ny tranon'ny Parrocchia Nostra Signora de la Salette, Piazza Madonna de la Salette 1, 00152 Roma, no hanaovantsika izany (any daholo ny lamesa, sakafo, fety fifampiarahabana).

Mirary ny soa ho antsika rehetra amin'izao "Fiaviana" izao.

 

P. Pascal sj