Alahady 04/02/2024

Miarahaba antsika indray amin’ny alalan’ity fampitam-baovao ity.

Ny “Ekipa solida” indray no nanomana sy nanentana ny litorjia tamin’ny 4 febroary 2024 teo. I Hervé no teo amin’ny fitendrena zavamaneno. Ny litorjian’ny alahady faha-5 mandavantaona (B) no nankalazaina tamin’io alahady io saingy nasiana fanamasinana jiro teo am-panombohana noho isika tsy afaka nanao izany niaraka ny 2 febroary teo. Môpera Pascal no nitarika ny lamesa niaraka tamin’i môpera Joslin. Misaotra antsika niara-nientana tamin'ny fanatanterahana ny fiaraha-mivavaka tamin'ny alalan'ny sorona masina iny.

Isaorana ny MDMK fa nanatanteraka ny fandiovana ny fiangonana izy ireo tamin'ny alahady teo taorian'ny sorona masina. Ny ELVIR indray no hitady ny fotoana sy fomba hanaovan'izy ireo an'izany amin'ny volana marsa 2024 io.

Hihaona any amin'ny Via dei Verbiti, 1 (zona Ostiense roma) isika araka ny efa naverimberina nampitaina tamintsika teto. Ny Fiombonan'ny pretra sy relijiozy no manomana sy hanentana ny litorjia. Alahady hatokantsika hanaovana vokatra io ka miomana amin'ny vokatra na solom-bokatra isika. Araka ny efa nampahafantarina antsika teto moa dia hitondra sy hanomana laoka hifampizarana isika fa ny Ankohonana kosa hanomana vary sy zava-pisotro. Toy izao ny fandaharam-potoanantsika amin'io andro io :

- Amin'ny 9:00 : fahatongavana (fifanomezan-tanana amin'ny fanomanana ny toerana)

- 9:00 - 10:15 : fandraisana an-tsoratra ny vokatra entintsika

- 10:30 : Lamesa

- Vita lamesa dia atomboka ny lavanty

- Sakafo sy korana (mitohy ny lavanty)

- Tombanana ho aoriana kelin'ny amin'ny 5 ora hariva ny fandaminana sy fandiovana ny toerana mba hahafahantsika mody amin'ny 6 hariva.

Mirary soa antsika rehetra !

P. Pascal sj