Alahady 04/06/2023

I P. Jocelyn no nitarika ny sorona masina ny 4 jiona 2023, alahady nankalazantsika ny Trinite Masina. Niaraka nanolotra ny sorona masina taminy ry môpera isany : Barnabé, Joslin ary Pascal. I Seba sy Francel no nanao ny raharahan'ny mpiservy. Ny Saint Augustin no nanentana ny litorjia ary i Frera Augustin no teo amin'ny fitendrena zava-maneno. Isaorana ianareo ary ankasitrahantsika ihany koa ireo nanao andraikitra manokana toy ny fitantazan-drakitra, fandravahana ôtely sy fiangonana...sns. Isaorana isika rehetra tonga niara-nivavaka nankalaza ny Trinite Masina.

Koa satria alahady faha-roa amin'ny alahady izao, 11 jiona 2023, dia anjaran'ny Pretra sy Relijiozy ny litorjia. Manana fahasarotana amin'io daty io anefa ny olona tokony hiandraikitra an'izany ka dia ny ELVIR no hanomana sy hanampy amin'ny hira, fa itambarana kosa ny fanatanterahana ny litorjia ao am-piangonana.

Hiandraiketan'ny ELVIR ny fandiovana ny fiangonana san Macuto amin'ity volana jiona ity.

Hitondra am-bavaka bebe kokoa ny Firenentsika isika amin'ity volana jiona ity. Toy ny fanao isan-taona dia hisy ny fankalazantsika ny fetim-pirenena eto Roma amin'ity taona 2023 ity. Ho tafiditra ao anatin'izany fandaharana fankalazana izany ny fanomanantsika ny vavaka iraisam-pinoana, izay hatao ny sabotsy 24 jiona maraina amin'ny 8:30, mialoha ny kermesy malagasy izay hanomboka amin'ny 10 ora. Ny toerana dia eny amin'ny Via Appia Antica 110/126.

Mirary soa antsika rehetra

P. Pascal sj