Alahady 05/05/2024

Miarahaba antsika rehetra,

Misaotra antsika rehetra tonga niara-nivavaka tamin’ny 5 mai teo. Môpera Joslin no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin’i môpera Pascal. Ny “Ekipa solida” kosa no nanomana sy nanentana ny litorjia ary i Hervé no teo amin’ny fitendrena zavamaneno. Nanao ny famangiana an’i Mma Anna Beasy isika teo am-panombohana ny sorona masina noho ny fahalasan’ny reniny tany Madagasikara.

Anjaran’ny “Fiombonan’ny Pretra sy Relijiozy” ny manomana sy manentana ny litorjia amin’ny 12 mai izao, alahady – “Ascension” taona B (Italia). Anjaran’izy ireo ihany koa no mitady fotoana hanaovana ny fandiovana ny fiangonantsika amin’ity volana mai ity.

Momba ny GMB24 (izay efa nampitaina tao amin'ny whatsApp Ankohonana Rasoamanarivo ) : efa nalefa any amin'ny mpikarakara araka ny nangatahin'izy ireo ny "scheda" milazalaza ny isa. Ankizy 10 no nosoratana any ary "accompagnatori" 6. Isa ihany no nilaina maika fa ny fiomanana isan-karazany dia mbola hiantso antsika hatrany ny mpikarakara. Ny hiezahantsika manomboka amin'izao izany dia hanomana ireo ankizy 10 ireo (sy ny accompagnatori koa) ka tsara mampahafantatra ny Prezidan'ny Ankohonana Rasoamanarivo (Hanitra) na ny aumônier izay Ray aman-dReny vonona handroso ny zanany amin'izany. Marihina moa fa maromaro ny hetsika ny 25 sy 26 mai 2024, fa ny lamesa lehibe eo amin'ny Piazza San Pietro amin'ny 26 mai no handraisantsika anjara mivantana ka hanomanana an'ireto ankizy ireto. Aorian’io lamesa amin’io 26 mai io dia hizotra ho any amin’ny Residenza Canisio, via dei Penitenzieri, 20 – 00193 isika hiara-hankalaza ny fetin’ny ankizy (sakafo, korana).

Ireto misy daty vitsivitsy ampahafantarina na ampahatsiahivina antsika :

Alahady 12 mai 2024 : Toy ny alahady mahazatra antsika dia ao San Macuto Bellarmino ny lamesa, anjaran'ny "Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy" ny litorjia.  Amin'io andro io ihany koa, ho antsika izay afaka, dia ho tonga any Aprilia ny "Gruppo malgascio della Cappellania di Parigi", ka hisy lamesa sy hetsika koltoraly any an-toerana. 

Sabotsy 18 mai 2024 : Fanamasinana ho diakra an'i Fra Fabrice (Salesianina) any Messina, araka ny invitation efa nalefa ao amin'ny whatsApp Ankohonana Rasoamanarivo. Manasa antsika ho tonga na hiombom-bavaka aminy amin'io daty io. 

Alahady 2 jiona 2024 : Ho sarotra ho an’ny maro ny hihazo ny fiangonantsika (San Macuto) amin’ny 2 jiona 2024 noho ny fisian’ny fetim-pirenena italianina izay andro alahady amin’ity : be ny lalana ho tapaka, ho be ny “déviation”. Rehefa nifampidinihana dia tsy hasiana lamesa any amin’ny San Macuto Bellarmino amin’io andro io. Samy mba mamonjy lamesa any amin’izay ahafahany. Marihina ihany koa fa amin'io andro io dia hisy lamesa hotarihin’i Mgr Pascal, Vikera jenerali’ny diosezin’Ambositra, tafiditra ao anatin’ny hetsika ho fanomanana ny faha-25 taonan'ny diosezin'Ambositra. Eny amin dry maseran'ny Trinité de Rome, Madonna del Riposo, no hanaovana izany. Manasa antsika rehetra ny mpikarakara sy mpandrindra io lamesa sy hetsika io.

Sabotsy 29 jiona 2024 : amin’ny 4:30 tolakandro misy voady farany any amin -dry maseran’ny Trinité de Rome - Madonna del Riposo izay anasana antsika. Nangataka fiaraha-miasa amin’ny resaka litorjia ry masera ka hisy solontenan’ny Ankohonana handray anjara mivantana amin’izany. 

P. Pascal sj