ALAHADY 05/10/2025

Miarahaba antsika rehetra !

Nankalaza ny jôbilin’ny mpifindra monina sy ny tontolon’ny misiônera  isika ny faran’ny herinandro teo, 4-5 ôktôbra 2025. Nandray anjara mavitrika tamin’ny fankalazana isika. Eto dia mamerina ny fisaorana antsika rehetra tamin’ny firotsahana sy fifanotronana tamin’izany.

Amin’ny alahady izao, 12/10/2025, dia anjaran’ny Zanakin’ny Diosezin’Ambanja ny litorjia. Amin’io alahady io anefa dia hanao lamesa ho an’ny Tompokovavy Masera Cécile Zainaba any Aprilia izy ireo. Nomanin’izy ireo ny litorjia ka ifarimbonantsika izay tonga ao amin’ny San Macuto-Bellarmino ny fanentanana sy fanatanterahana azy.

Hankalaza ny fetin’ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo isika amin’ny alahady 19 ôktôbra 2025. Ao amin’ny “Parrocchia Nostra Signora de la Salette – Piazza Madonna della Salette, 1, 00152 Roma” ny toerana hanaovantsika izany. Misy ny fifandaminana sy fizarazarana andraikitra izay hampitaina amintsika tsy ho ela. Hisy ihany koa ny fandaminana mialoha ny toerana ny sabotsy tolakandro 18/10 izay mbola hofaritana mazava amintsika ny ora.

Mirary soa ho antsika rehetra,           

P. Pascal, sj