Alahady 05/11/2023

Miarahaba antsika rehetra !

Nandeha tany Orte ny Ankohonana Rasoamanarivo tamin'ny alahady 5 nôvambra 2023 teo nivoaka sady namonjy ny batemin-janak'i Mr Rado sy Mme Caroline. Nifarimbonana ny litorjia ary Mr Hervé no nitendry. P. Pascal no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin'i Don Maslov izay pretran'ny paroasy nandray tao an-toerana. Tamin'ny 11 ora ny lamesa-batemy tao amin'ny paroasy "Santa Maria della strada". Taorian'izay dia nizotra nankany amin'ny tranon'ny Mr Rado mianakavy niara-nisakafo sy niara-nifaly.  Na dia oram-be aza teo am-piaingana avy taty Roma ny alahady maraina dia nitsahatra tsy ela izany ary tsara, tsy nisy orana, ny andro mandra-piverin'ny rehetra teto Roma. Deo gratias !

Amin'ny alahady 12 nôvambra 2023 izao dia anjaran'ny Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia ; ny "Suore di San Giovanni Battista" no handray an-tanana ny raharaha amin'io andro io. Môpera Aimé (diosezin'i Miarinarivo) no hitarika ny sorona masina.

Amin'io andro 12 nôvambra io ihany koa no hanaovan'ireo Biraon'ny Ankohonana am-perin'asa ny famindram-pahefana sy famindran-draharaha amin'ny Birao vaovao vao voafidy tamin'ny 29 ôktôbra 2023 teo. Araka ny efa fantatsika dia ho toy izao ny firafitry ny Birao vaovao : 

. Roger Pascal Andriamitantsoa (Aumônier)

. Hanitra Raharisolo (Présidente)

. Sylvestre Randriamasy (Vice-Président)

. Ernestine Rasoarimalala (Trésorière)

. Hasina Rakotomanana (Vice-Trésorièr)

. Bebiniriana Laurencia Ralisoa (Secrétaire)

. Sylvain Romuald Ramandimbiarisoa (Vice-Secrétaire)

 

Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra !

P. Pascal sj