Alahady 07/04/2023

Faly miarahaba antsika rehetra indray !

Voalohany indrindra dia tsy hay ny tsy hamerimberina ny fisaorana antsika rehetra tamin'ny fiaraha-mientana tany amin'ny Fivahinianana masina izay nataontsika tany Lourdes. Mety ho samy nahatsapa reradreraka ny vatana taorian'iny Fivahinianana iny saingy inoana fa nahatsapa hery mampientanentana ny finoana ihany koa ny tsirairay. Isaorantsika an'Andriamanitra izany. Koa satria volan'i Masina Maria ity volana Mai ity, dia hohararaotintsika hatrany ny fanampian'i Masina Maria hampahafantatra antsika bebe kokoa ny Zanany. 

Toy izao indray ny filazalazana tsotsotra ny fizotry ny alahady 7 mai 2023 teo sy ny vaovao tsara ho fantatra. Môpera Hasimanana no nitarika ny Sorona Masina, notronin-dry Môpera isany Narindra, Claudy ary Pascal. Ny ekipan'ny Saint Augustin no nanentana ny litorjia, niaraka tamin'ny mpitendry, Padoue sy Sylvestre ; Francel nanao ny asan'ny mpiservy... Misaotra antsika rehetra niara-nisalahy tamin'ny fampandehanana ny Sorona masina.

Amin'ny alahady 14 mai 2023 dia anjaran'ny Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy indray no manomana sy manentana ny litorjia. Ny fandiovana ny fiangonantsika amin'ity volana ity dia hiandraiketan'ny M.D.M.K. 

Amin'ny alahady 14 mai 2023 izao dia hanao recollection ny M.D.M.K. ka eny an-toerana ihany (Collegio San Roberto Bellarmino) no hanaovan'izy ireo izany, miaraka amin'i Môpera Faly. Tsy hamonjy lamesa miaraka amintsika noho izany izy ireo fa hanana ny fandaharam-potoanany manokana.

Araka ny efa nampitaina tamintsika ny alahady teo dia amin'ny alahady izao, 14 mai 2023, no anasan'i P. Alain antsika hiaraka hisakafo aminy noho ny fankalazany ny tsingerintaona miavaka faha-50 taona nahaterahany. Amin'ny 1 ora (13:00) ny fotoana ary eny amin'ny Via dell'Osteria Dragoncello 12. Ny fisoratana anarana ho an'izay ho tonga dia amin'ny whatsApp 3421250245 alohan'ny alarobia ! ).

Araka ny nolazaina tamintsika tamin'ny alahady teo tao San Macuto koa dia hanao ny fanohanana ny thèse de doctorat amin'ny sampana Filôsôfia i Môpera Hasimanana amin'ny talata 23 mai 2023 amin'ny 3 ora tolakandro. Ao amin'ny Université Santa Croce no hanaovany izany (tsy lavitra ny Piazza Navona). Asainy amin'izany isika. Nangataka fiaraha-miasa tamintsika i môpera Hasimanana amin'io andro io : fikarakarana sy fandaminana ny zava-pisotro sy kitsaingoka isan-karazany handraisana ny olona aorian'ny fanohanana ny thèse. Efa misy ekipa vonona ny amin'izany ka isaorana manokana izy ireo.

Nisy fihaonan'ny Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy Italie tamin'ny alahady 7 mai 2023 teo tany Nettuno (Parrocchia Santa Barbara). Vory maro be izy ireo ary tamin'io fotoana io no nanaovan'izy ireo ny fifidianana ho fanavaozana ny birao. Miisa 6 ireo mandrafitra ny birao vaovao, izay hotarihin'i P. Etienne (Déhonien). Mahaleova mahalasana ianareo ! Eto dia misaotra sy mankasitraka ireo birao teo aloha (PP. Rolin, Mamy, Sr Céline ary Frère sylvain)  izay mbola manohy ny andraikiny amin'ny fampidirana tsikelikely ny ekipa vaovao.

Izay ary fa dia ho tahian'Andriamanitra daholo isika

P. Pascal sj