Alahady 07/04/2024

 

Alahady faharoan'ny Paka no nankalazaina. Nitarika ny lamesa i mompera Joslin, notronin'i mompera Faly. Francel no "servant de messe" ary Hervé no teo amin'ny zava-maneno. Ny Ekipa sôlida no nanentana ny litorjia. Tolorana fisaorana isika rehetra tonga tao. 

Ny litorjia amin'ny alahady 14 avril dia an'ny relijiozy. Any anatin'ny tetiandro any dia voalaza fa hisy "chocolat chaud" isika amin'io alahady io ka anentanana antsika sahady handray anjara.

Miangavy ny mpikambana tsirairay mba handefa ny soso-kevitra momba ny fanatsarana ny litorjia izay efa nanaovana filazana maromaro teto. Afaka manome izany soso-kevitra izany koa na olona tsy ao anatin'ny fikambanana fa ho raisina an-tànan-droa. Ny alahady 28 avril no fara-fandefasana izany ary azontsika alefa any amin'ny aumônier na any amin'ny filoha, araka ny hafatry ny aumônier. Hisy moa ny fiantsoana fivoriana izay iarahana amin'ireo solontena 2 isaky ny fikambanana aorian'izay, ka ireo solontena 2 ireo dia mba tsy ny olona efa ao anatin'ny kômity no ho safidiantsika hanatrika izany fa olona afaka maneho hevitra hanatsarana ny hoavin'ny Ankohonantsika. 

Mety hisy fivoriana voalohany iarahan'ny BIRAO sy ny MPANOLOTSAINA  (izay mandrafitra ny antsoina hoe KÔMITY)  amin'ny alahady 21 aprily ho avy izao ka raha tsy misy ny fiovan-javatra dia mety tsy hahita azy ireo ao am-piangonana isika amin'io alahady io. Ho hamafisina eto ihany ny momba izay.

Misy ireo famangiana tokony hataontsika amin'ny maha-malagasy ka manentana antsika hiomana ny amin'izany fa hampahafantarina antsika eto ihany ny andro hanaovana izany.  Entintsika am- bavaka hatrany ireo namantsika rehetra tsy salama, indrindra fa i aumônier.