Alahady 07/07/2024

Miarahaba antsika rehetra indray !

Nentanin'ny "Ekipa solida" ny litorjia tamin'ny 7 jolay 2024 teo, alahady faha-14 mandavantaona (B). Hervé no nitendry ny zavamaneno. P. Pascal no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin-dry môpera Frésie sy Eugène. Ity farany moa dia pretra zezoita ao amin'ny Collegio San Roberto Bellarmino, izay vao tonga eto Roma mba hanohy fianarana ao amin'ny Pontificia Università Gregoriana (PUG). 

Amin'ny 14 jolay 2024 izao indray dia anjaran' ny "Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy" ny manomana sy manentana ny litorjia. Mety efa be isika no miparitaka tsy eto Roma ntsony fa ataoko mbola misy ireo pretra na relijiozy tafajanona eto ka afaka manao izany, na hoe manomana dia mandefa azy any amin'izay ho tonga any am-piangonana ho amin'ny fanentanana.

Araka ny efa nampitaina tamintsika, na tao am-piangonana na tamin'ny fandraisana ny fanasana, dia hanonona ny voady farany ireo freran'ny Trinitera 5 mirahalahy. Ao amin'ny Basilica di San Crisogono martire (Piazza Sidney Sonnino, 44, 00153) no hanaovan'izy ireo izany amin'ny zoma 12 jolay ho avy izao amin'ny 6 ora hariva. Asaina amin'izany isika ary entanina ihany koa isika  izay mba afaka manampy manamasaka ny hira amin'ny litorjia mandritra izany. Azo anontaniana an-dry zareo Trinitera ny zavatra mety azo anampiana. Amin'ny sabotsy 20 jolay 2024 izao indray dia hohamasinina diakra any Teramo izy 5 mirahalahy ireo ka mbola asaina ihany koa isika hanotrona azy ireo.

Araka ny fandaharam-potoanantsika dia maka aina kely isika ny volana aogositra 2024, izay fotoana ivezivezen'ny maro amintsika ka andehanana ivelan'i Roma, na ivelan'i Italia mihitsy aza. Noho izany dia tsy hisy lamesa ao amin'ny fiangonantsika San Macuto-Bellarmino mandritra ny volana aogositra 2024. Misokatra ny volana septambra ary miverina ao San Macuto-Bellarmino indray isika ny alahady 1 septambra 2024, lamesa amin'ny 9:30. Mandritra ity volana jolay 2024 ity dia mbola misy lamesa hatrany ao an-toerana (14 sy 21 jolay).

Ny alahady 28 jolay 2024 no alahady farany amin'ny volana jolay, izany hoe alahady hamaranantsika ny taona pastoraly 2023-2024 alohan'ny hanombohantsika ny vaovao 2024-2025 amin'ny 1 septambra 2024. Amin'io andro io dia handeha hivoaka isika ka any amin'ny Chiesa del Domine Quo Vadis (via Appia Antica 51, 00179 Roma) no hamonjentsika lamesa. Lamesa amin'ny teny italianina any an-toerana le izy amin'ny 11 ora ka manenjika an'io isika fa mety sy mampirindra ny programantsika io. Vita ny lamesa dia mikisaka kely mamonjy "Park" fitsangatsanganana isika. Tsy misy "courant" any amin'ny Park ka izay fitaovana mifanaraka amin'izany no entintsika (oh. gitara, karatra...). Tahaka ny fanaontsika moa dia mivimbina hena, trondro, tsaramaso, voanjobory, tsakitsaky, fialana hetaheta isan-karazany... Dia mba tongava maro fa famaranana ny taona io.

Mirary soa antsika rehetra,

P. Pascal sj