Alahady 08/09/2024

Miarahaba antsika rehetra !

Ny Fiombonan'ny pretra sy relijiozy, nohatevenin'ireo olona sasany, no nanentana ny litorjia tamin'ny 8 septambra 2024 teo, alahady faha-23 mandavantaona (B). P. Pascal no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin'i P. José sy P. Eugène. i Hervé no nitendry ny zavamaneno. Misaotra antsika rehetra tamin'ny fahatongavana niara-nivavaka. 

Taorian'ny sorona masina dia nisy ny fihaonana izay efa niomanantsika ela be. Fihaonana nananovana ny jeritodika momba ny litorjia. Nangatahina ny fikambanana na vondrona tsirairay mba handrafitra izany jeritodika izany ; navondrona sy notrandrahina akaiky ireo ary nifanakalozan-kevitra avy eo. Tao amin'ny Residenza San Pietro Canisio ny fihaonana. Hanaraka aoriana kely ny tatitra. Nisy solontena 2 isaky ny fikambanana no nasaina tamin'izany fihaonana izany. Tsy mijanona eo ny asan'ireo olona nivory ireo fa eo vao manomboka.

Amin'ny 15 septambra 2024, alahady faha-24 mandavantaona (B), dia anjaran'ny M.D.M.K. indray ny manomana sy manentana ny litorjia.

Araka ny fanasana efa voaraintsika tao amin'ny WhatsApp Ankohonana, ampahatsiahivina isika fa amin'io alahady 15 septambra 2024 io, amin'ny 4 ora tolakandro, dia hisy lamesan'ny "25° Anniversario della professione religiosa" any amin-dry "Suore Ospedaliere della Misericordia, Chiesa Mater Misericordiae, Via Latina 30 (Roma).

Amin'io alahady io ihany koa, eo am-panombohana ny sorona masina, no hanaovantsika ny famangiana an'i Mr Silvestro, Vice-président-tsika, izay vao avy namoy ny reniny. Ho entintsika am-bavaka mandritra ny sorona masina amin'io andro io ny fialan-tsasatry ny fanahin'ny nindaosin'ny fahafatesana.

Hisy fivorian'ny Biraon'ny Ankohonana amin'ny faran'ny herinandro mba hijerena indrindra ny fanomanana ny fety hataontsika amin'ny 29 septambra 2024. Homena ny antsipiriham-baovao isika aorian'izany. Amin'io fivoriana io koa no hijerena ny fotoana mety hanaovantsika ny vokatra.

Amin'ny alahady 22 septambra, herinandro mialoha ny fety 29 septambra 2024, dia hisy fanomanana faobe mikasika ny fetin'ny Ankohonana (hira, fihetsika...). Hofaritana amintsika eo ny fandrindrana izany famerenana izany.

Mirary soa antsika rehetra !

P. Pascal sj