Alahady 08/10/2023

Miarahaba antsika rehetra !

Nankalaza ny fetin'ny Ankohonana Rasoamanarivo isika ny alahady 8 ôktôbra 2023 teo. Nitarika ny sorona masina tamin'io andro io i Mgr Donatien, evekan'Ambanja ; Mgr Jean Pascal, evekan'Antsirabe, no nitondra ny fampianarana tamin'ny alalan'ny toriteny. Eo am-piatrehana ny sinôda ity farany ka afaka nifampizara tamintsika ny mombamomba ny sinôdan'ny Fiangonana izay manome lanja manokana ny Eglizy miara-dia  mifampihaino sy mihaino ny Fanahy Masina. Teo koa ireo pretra tonga niara-nanolotra ny sorona masina. Amin'ny maha-fety azy dia nifarimbonana ny litorjia.

Vita ny lamesa dia nizotra nakany amin'ny fiaraha-misakafo sy fiaraha-mikorana samihafa ny rehetra. Efa natolotra tamintsika rehetra ombieny ombieny ny fisaorana ny rehetra, saingy toy ny fary lava vany moa izy io ka tsy lany hamamiana. Koa satry foana ny mamerina azy etoana : misaotra antsika rehetra tamin'ny fiaraha-mivavaka, tamin'ny asa isan-karazany nentina nanatanteraka ny fety.  Hotahian'And/tra daholo isika rehetra.

Anjaran'ny M.D.M.K. indray ny manomana sy manentana ny litorjia amin'ny alahady 15 ôktôbra 2023 izao.

Manasa antsika rehetra i Mr Rado sy Mme Carole amin'ny fanaovana batemy ny zanak'izy ireo amin'ny alahady 5 nôvambra 2023. Any Orte ny toerana : Parrocchia "Santa Maria della Strada", via Tuscania, 5, 01028 Caldare VT. Môpera Andriamitantsoa no hanao ny batemy ary amin'ny teny malagasy ny sorona masina. Manao sortie in-1 mandeha isam-bolana isika ka ampifanarahantsika amin'io datin'ny batemy io ny sortie volana novambra ka any Orte isika ny 5 nôvambra 2023. Mba hahafahana hijery izay ho fomba hahafahana mandeha miaraka anefa dia tsara ho fantatra mialoha ny isantsika ho afaka handeha amin'io. Dinidiniho sahady ary ny fahafahanao fa hampitaina eny ihany ny fanampim-baovao momba an'ity.

Mirary soa antsika rehetra !

P. Pascal sj