Miarahaba antsika rehetra indray !
Isaorana And/tra loharanom-pahasoavana fa tontosa ny sabotsy 7 desambra 2024 teo ny fitsofan-drano ny fanambadian’i VELOMBE Nero Thommas sy RAFARAMANANA Feno Anna Brigitte. Feno hafaliana noho ny fanotronantsika azy tamin’iny fotoana iny izy mivady ka misaotra sy mankasitraka antsika rehetra.
Tamin’ny alahady 8 desambra 2024 teo indray dia nandeha nanao réco/sortie fiomanana amin’ny Noely 2024 ny Ankohonana. Tany Teramo no toerana nanaovana izany, tao amin’ny paroasy tantanan-dry môperan’ny Trinitera. Niaraka namonjy lamesa tao amin’ny paroasy ao an-toerana ny Ankohonana tamin'ny 11 ora. Taorian’ny komonio kosa dia nandray anjara tamin’ny fanaovana hira malagasy iray, izay narahina dihy mirindra. Tsara le izy… Tamin’ny 5 ora hariva no nitodi-doha niverina aty Roma ny rehetra. Mamerina ny fisaorana an’i Frera Désiré tamin’ny fifampizarana nataony nanentanana ny androm-bavaka. Ny fifampizarana moa dia natomboka avy hatrany tany anaty fiara raha vao niainga teto Roma. Isaorana ihany koa ny paroasy tany an-toerana nandray, niaraka tamin'ireo Trinitera malagasy izay notarihin'ny parroco, P. Jean Claude.
Anjaran’ny M.D.M.K. ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia amin’ny 15 desambra 2024 izao, alahady fahatelo amin’ny Fiaviana (D).
Mirary soa antsika rehetra,
P. Pascal, sj