Alahady 09/06/2024

Miarahaba antsika rehetra !

Anjaran'ny Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy no nanomana sy nanentana ny litorjia tamin'ny alahady 9 jiona 2024 teo.  Nitarika ny sorona masina kosa i môpera Tojo, niaraka tamin'ny pretra vitsivitsy : môpera Frésie, Abel, Barnabé, Etienne ary Pascal. Tamin'io fotoana io no niarahabana an'i Hasina (ao amin'ny biraon'ny Ankohonana Rasoamanarivo) izay vao avy nahazo fahasoavana lehibe tamin'ny alalan'ny fandraisana ny sakramentan'ny fankaherezana. Tamin'io andro io ihany koa, taorian'ny sorona masina, no nanaovan'ny komitin'ny Ankohonana Rasoamanarivo fivoriana. 

Amin'ny faha-16 n'ny volana jiona 2024 izao, alahady faha-11 mandavantaona B, dia anjaran'ny M.D.M.K. ny manomana sy manentana ny litorjia. Mbola anjaran'izy ireo ihany koa ny mitady fotoana handiovana ny fiangonantsika amin'ity volana jiona 2024 ity.

Ao anatin'ny volana jiona isika izao ary efa akaiky ny fankalazantsika ny fetim-pirenena malagasy amin'ny 26 jiona. Manomana fiaraha-mivavaka ho an'ny firenena ny FFKM-Roma. Amin'ny alahady 23 jiona 2024 amin'ny 14:30 no hanaovantsika izany ary ao am-piangonana, San Macuto - Bellarmino /via del seminario 120, 00186 Roma. Tongava maro hiara-hitondra am-bavaka an'i Madagasikara isika !

Handray ny pallium eto Roma ny arsevekan'i Toliary amin'ny sabotsy 29 jiona 2024. Amin'ny 9:30 maraina ny sorona masina ao amin'ny basilika S. Pietro. Hanotrona an'i Mgr Gustavo amin'io fotoana io isika. Vao vita ny sorona masina hovonjentsika ao amin'ny basilika dia hiaraka amin'ny arseveka isika hihazo ny toerana hiarahantsika rehetra hisakafo, hikorana sy hirary soa azy amin'ny andraikitra lehibe amin'ny maha-arseveka azy. Ao amin'ny Residenza San Pietro Canisio, via dei Penitenzieri, 20 - 00193 Roma no hanaovana ny sakafo sy korana ( vavahady fidirana Borgo Spirito, 4, 00193). Ho an'ny pretra izay te hanao "concélébration" amin'io dia aza hadino ny manao famandrihana avy hatrany ao amin'ny "site" fa efa misokatra.

Mirary soa antsika rehetra.

P. Pascal, S.I.