Alahady 10/09/2023

 

Miarahaba antsika rehetra !

Fintinina amintsika ny fizotran'ny alahady 10 septambra 2023 teo. Môpera Etienne no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin-dry Môpera isany : Joslin, Désiré ary Pascal. Seba sy Francel no teo amin'ny fandraharahan'ny mpiserivy. Ny Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy no nanentana ny litorjia. Tolorana fisaorana isika ary mankasitraka ihany koa an'ireo izay niandraikitra raharaha manokana hafa toy ny fitatazan-drakitra, fanomanana sy fandravahana ny ôtely. Mankasitraka antsika rehetra tonga niara-nivavaka ary miombona amin'ireo izay naniry ho tonga nefa tsy afaka noho ny antony maro samihafa.

Avy nankalaza ny tsingerintaona nahaterany i Frera Désiré ary mbola ao anatin'ny fankalazana ny faha-25 taonan'ny maha-Relijiozy monfortanina azy. Tamin'io alahady io dia nitondra mofomamy, tsaingotsaingoka samihafa ary zava-pisotro i Frera nifampizarana tamin'ny mpiara-mivavaka taorian'ny lamesa. Ho ela velona ianao Frera !

Amin'ny alahady 17 septambra 2023 indray dia anjaran'ny M.D.M.K. ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia

Atomboka amin'ny volana ôktôbra ny fandiovana faobe indrai-mandeha isam-bolana fanaontsika ao amin'ny fiangonantsika, ka anjaran'ny Saint Augustin ny mitady fotoana hanaovan'izy ireo izany amin'io volana ôktôbra io.

Hankalaza ny faha-25 taona naha relijiozy azy i Masera Marie Fabrice, ao amin'ny fikambanana "Suore Discepole di Santa Teresa del Bambino Gesù" amin'ny 1 ôktôbra 2023, amin'ny 11:30, ao amin'ny Chiesa San Felice, Gioia Sannitica (Provincia di Caserta in Campania). Miombona aminy isika amin'io dingam-pahasoavana raisiny io.

Momba ny fetin'ny Ankohonana amin'ny 8 ôktôbra 2024 : 

Araka ny efa nampitaina tamintsika dia mila toerana malalaka isika ka any amin'ny "Sainte Famille", Via Odoardo Beccari  43, 00154 Roma (zona Ostiense) no hanaovantsika azy amin'ny 8 ôktôbra 2023 io. Kasaintsika mba ho fihaonana miavaka amin'ireny fanaontsika mahazatra ireny satria fetin'ny Ankohonana. Zavatra voalohany hojerentsika amin'izany dia ny fanomanana litorjia. Anjaran'ny Pretra sy Relijiozy ny litorjia amin'io andro io saingy afaka mifanampy eo. Ny fanomanana sakafo koa mila jerena, na ny hetsika mety hatao mandritra sy aorian'ny sakafo...Noho izany dia mila ekipa hifanampy amin'ny komity amin'ny fanomanana sy fanatanterahana an'izany.  Hiantso olona izay ho afaka handrafitra izany ekipa izany ny aumônier. Ny fety no mba ho tontosa tsara dia noho ny fiarahantsika rehetra miombona sy miara-miasa.

Mirary soa antsika rehetra

P. Pascal sj