Alahady 10/12/2023

Miarahaba antsika rehetra !

Andro niavaka ny alahady faharoa amin'ny Fiaviana ny 10 desambra 2023. Natokan'ny Ankohonana Rasoamanarivo nanaovana récollection mantsy ity andro ity. Natomboka tamin'ny fiaraha-mivavaka ny fotoana, avy eo niroso tamin'ny fampianarana sy fanentanana ho fiomanana amin'ny Noely nomen'i môpera Aimée. Nandritra ny sakafo nisy namana sasany nilazalaza fifampizarana kely ihany koa. Nandeha araka ny notombanana ny fandaharam-potoanantsika tamin'iny andro iny ; misaotra fa izany no nilamina dia isika rehetra no niara-nientana tamin'ny fanatanterahana. Samy liana tamin'ny fifampizarana nentin'i môpera Aimé tamin'ny alalan'ny fampianarana ; nisy fotoana izay natokana hivavahana manokana anaty fahanginana na nanaovana fifampizarana. Afaka nandray ny sakramentan'ny fampihavanana (kôfesy) ihany koa isika ka isaorana manokana ireo pretra afaka nampikôfesy.

Nofaranana tamin'ny sorona masina ny andron'ny récollection ny tapany hariva. Môpera Tojo no nitarika ny sorona masina tamin'izany, notronin-dry môpera Aimé, Faly, Etienne ary Pascal. Izy dimy mirahavavy maseran'ny Orsoline di Verona (niampy ny beson'i môpera Hugues) no nanomana sy nanentana ny litorjia. i Hervé no teo amin'ny fitendrena ny zava-maneno. Mankasitraka antsika rehetra tonga niara-nivavaka.

Amin'ny alahady 17 desambra 2023, alahady fahatelo amin'ny Fiaviana (B), dia anjaran'ny Fraternità ny manomana sy manentana ny litorjia.

Fampahatsiarovana voady faran'ny Karma : Faly manasa antsika ho tonga hiara-hivavaka noho ny voady farany izay hataon'izy ireo i Frera Zoel Michel Andriamasoandro sy Todisoa Herinambinina amin'ny alakamisy 14 desambra 2023 izao, izay hataon'izy ireo ao amin'ny Cappella del Teresianum, Piazza di San Pancrazio 5/A, 00152 Roma. Hanomboka amin'ny 4 ora sy sasany tolakandro ny lamesa. Ny taratasy Fanasana nalefan'izy ireo moa dia efa nalefa tamintsika teto fa fampahatsiahivana ity.

Amin'ny alahady 7 janoary 2024 no hanaovan'ny Ankohonana Rasoamanarivo ny fifampiarahabana tratry ny taona vaovao. Any amin'ny tranon'ny Parrocchia Nostra Signora de la Salette, Piazza Madonna de la Salette 1, 00152 Roma, no hanaovantsika izany. Mbola haroso amintsika eto ihany ny fandaharam-potoana amin'izany fa efa mba samy mampiditra io daty io any anaty "agenda" any ny tsirairay. Toy izany koa ny datin'ny 11 febroary 2024 izay hanaovantsika ny vokatra. 

Mirary soa antsika rehetra,

 

P. Pascal sj