Alahady 11/06/2023

Faly miarahaba antsika rehetra indray !

Omena antsika àry ny fintim-baovao ny alahady 11 jiona 2023 teo sy izay tsara ho fantatra ato ho ato.

Anjaran'ny "Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy" ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia, izay niandraiketan-dry Maseran'ny Triniteran'i Roma manokana nampian'ireo relijiozy hafa tonga tao. P. Etienne lehiben'ny Fiombonana noho izany no nitarika ny Sorona Masina, notronin'ireo Pretra efatra mirahalahy : ry môpera Joslin, Faly, Barnabé ary Pascal. Isaorana isika rehetra ary ankasitrahina koa ireo izay nanana andraikitra hafa manokana nandritra ny Sorona masina, toy ny mpiservy, mpitaty rakitra, mpandravaka ny ôtely sy ny fiangonana...sns.

Nentina am-bavaka nandritra ny lamesa ihany koa ny pretra mirahalahy, izay isan'ireo tonga niara-nisorona tao, noho ny fankalazan'izy mirahalahy ireto ny tsingerintaona nahaterahan'izy ireo : Môpera Barnabé sy Faly. 

Ny M.D.M.K. no hanomana sy hanentana ny litorjia amin'ny 18 jiona 2023, alahady faha-11 mandavantaona amin'ny taona A. 

Mr Antonio Dofa sy Ramatoa Carine Ingrid Jackise Rasoarivelo dia manasa antsika hiombona sy hitondra am-bavaka ny fisoratam-panambadian'izy ireo izay hatao amin'ny 24 jiona 2023 amin'ny 5 ora sy sasany hariva ao "Mucani" (Galleria Borghese), Piazza Garibaldi - Mentana, Roma. Alohan'izany, amin'ny 3 ora sy sasany tolakandro, dia asain'izy ireo isika ho tonga hiara-hivavaka amin'ny fandraisan'i Nazra, zanak'izy ireo, ny sakramentan'ny batemy. Ny toerana hanaovana ny batemy dia ao amin'ny Chiesa di San Nicolà al Castello, Piazza San Nicolà 11 - 00013 Mentana, Roma. Manasa olona 10 avy ato amin'ny Ankohonana Rasoamanarivo ry zareo amin'io andro io hiaraka hisakafo amin'ny 7 ora sy sasany hariva (ataontsika solon-tena 2 isaky ny fikambanana).

Araka ny efa fantatsika ihany koa dia vanim-potoana lehibe ho antsika Malagasy rehetra ity volana jiona ity satria hankalazantsika manokana ny fetin'ny fahaleovantenam-pirenena. Efa 63 taona no nahazoantsika ny fahaleovantena saingy mbola mitaky zavatra maro amin'ny Fanjakana sy amin'ny tsirairay mba ho tonga amin'izany tena fahaleovan-tena izany. Handray anjara amin'izany fanamarihana ny fetin'ny fahaleovantena izany isika eto Roma. Hatomboka amin'ny alalan'ny fanaovana kermesy gasy izany, izay karakarain'ny vondrona maro samihafa eto Roma,  ny 24 jiona izao manomboka amin'ny 10 ora maraina eny amin'ny Via Appia Antica 110/126 Roma. Entanina koa isika malagasy rehetra ho tonga any amin'ny Masoivoho malagasy eto Roma ( Via Riccardo Zandonai, 84/A, Roma) amin'ny alahady tolakandro 25 jiona amin'ny 2 ora sy sasany hiara-hitotorebika.

Mirary soa antsika rehetra

P. Pascal sj