Alahady 12/03/2023

Tamin'ny alahady 12 marsa lasa teo dia nanao ny récollection fiomanana amin'ny Paka 2023 (karemy) ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo eto Roma. Tao amin'ny Casa Generalizia della Società del Verbo Divino, Via dei Verbiti 1, 00154 Roma, no nanaovana izany. I Môpera Tojo no nitarika ny récollection  ary i Môpera Mamy  no nitarika ny sorona masina notronin'ireo pretra niara-nisorona taminy. Ny Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy no nanentana ny litorjia. Tao ihany koa ireo niandraikitra raharaha hafa manokana toy ny mpiservy, mpitendry, mpitaty rakitra, mpikarakara sakafo...sns. Isaorana daholo isika rehetra niara-nisalahy tamin'ny fanatanterahana ny récollection. Marihina fa fotoana nisaorana sy nanaovana veloma an'i Masera Céline FMA ihany koa io, izay nandao an'i Roma mba hanatanteraka iraka vaovao any an-tanindrazana.

Ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia amin'ny 19 marsa 2023 (alahady fahefatra amin'ny karemy, taona A) dia anjaran'ny MDMK.

Manasa antsika i frera Simon Rabemaharavo mba ho tonga hiara-hivavaka aminy amin'ny fanamasinana azy ho diakra ny talata 11 aprily 2023 amin'ny 4 ora tolakandro ao amin'ny Chiesa del Gesù Roma (jereo ao amin'ny site n'ny Ankohonana ny fanasana)

Aza hadino ny fanomanana ireo solontena 2 isaky ny vondrona ho fandrafetana ny Consiglio pastorale n'ny Ankohonana Rasoamanarivo. Alefa amin'ny aumônier ny anaran'ireo solontena ireo ny 9 aprily 2023.

Momba ny fanomanantsika ny Fivahiniana masina any Lourdes dia 30 ny isantsika handeha. Miova ho 250€ isan'olona ny vola haloantsika amin'izany ary ho tonga hihaona amintsika ao amin'ny San Macuto ny mpikarakara ny fitanterana amin'ny alahady izao.

Mirary faran'ny herinandro sambatra ho antsika rehetra

P. Pascal sj