Alahady 14/04/2024

 

Mômpera Frésie no nitarika ny Sorona Masina, notronin'i mômpera isany : Barnabé sy  Étienne. Ny fiombonan'ny pretra sy ny relijiozy no nanentana ny litorjia. Mr Hervé no nitendry ny vatamaroafitsoka. Francel no mpiservy.  Samy tolorana ny fisaorana isika rehetra.

Nisy moa ny "chocolat chaud" taorian'ny lamesa izay nahafahan'ny rehetra nitafatafa tanaty filaminana ka ankasitrahana isika rehetra nandray anjara tamin'izany

Ny liturgie amin'ny alahady 21 aprily ho avy izao, alahady faha-4 amin'ny Paka, dia anjaran'ny MDMK.

Isaorana ny ekipa sôlida nahavita ny fanadiovana fiangonana tamin'ity volana ity. Anjaran'ny fiombonan'ny pretra sy relijiozy kosa ny fanadiovana ny fiangonantsika amin'ny volana mai

olorana fisaorana isika fikambanana sy ireo tsy ao anatin'ny fikambanana efa nandefa ireo soso-kevitra hanatsarana ny litorjia, ary entanina hatrany ireo izay mbola tsy nandefa izany handefa azy any amin'i mômpera aumônier na any amin'i Hanitra . Ny alahady 28 avril no fara- fandefasana izany. Hisy moa ny fiantsoana fivoriana hiarahana amin'ireo solontena 2 isaky ny fikambanana aorian'izay, fa holazaina eto ihany ny mahakasika an'izay  

Mety hisy fivoriana voalohany iarahan'ny BIRAO sy ny MPANOLOTSAINA, izay mandrafitra ny antsoina hoe KÔMITY, rehefa tafavoaka tsara ny hopitaly ny aumônier ka mety tsy hahita azy ireo ao am-piangonana isika amin'izay alahady izay .Ho hamafisina eto koa  ny momba izay.

Hanao ny famangiana an'i Fanja (filoha teo aloha) izay namoy ny reniny isika ny alahady 21 aprily ho avy izao. Amin'ny fanombohan'ny lamesa no hanaovana azy ary entintsika am- bavaka mandritra ny lamesa manontolo ny fialant-sasatry ny -anahin'i Tompokovavy RAZAFINDRAMAROAVOMANANA Odette.

Entintsika am-bavaka hatrany ireo namantsika rehetra tsy salama, indrindra fa ny aumônier. Mbola tafajanona any amin'ny hopitaly izy ary mbola azontsika vangiana foana hatreto : reparto cardiologia, 2°piano, letto n°6.

Mirarisoa antsika rehetra !