Alahady 14/05/2023

Faly miarahaba antsika rehetra !

Holazalazaina tsotsotra amintsika indray ny fizotran'ny Sorona Masina ny alahady 14 mai 2023 sy ny vaovao tsara ho fantatra.

Anjaran'ny Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy malagasy Roma/italia ny fanentanana ny litorjia tamin'io alahady io. Môpera Etienne no nitarika ny lamesa, notronin'ireo pretra maromaro : Aina, Barnabé, Doris, Hasimanana, Joslin, Mamy, Pascal ary Rolin. Môpera Mamy no nitondra ny fampianarana tamin'ny alalan'ny toriteny. Amin'ireo pretra voatanisa ireo dia i Môpera Doris angamba no mbola be tsy mahafantatra tao am-piangonana. Tombasoa Doris no anaran'i Môpera, Supérieur Provincial n'ny Monfortains any Canada izy fa miatrika ny Chapitre général n'ny Fikambanan'izy ireo eto Roma. Ankasitrahana daholo ianareo Môpera, Frera ary Masera. Tolorana fisaorana ihany koa ireo izay nanana andraikitra manokana toy ny mpitendry zava-maneno (P. Joslin), mpiservy (Seba), ny teknisianina, ny mpanomana sy mpandravaka hotely, mpitaty rakitra....sns. Hombàn'ny fahasoavan'Andriamanitra daholo isika rehetra.

Zavatra iray isan'ny nampiavaka ny alahady 14 mai 2023 teo dia ny fampahafantarana tamin'ny Ankohonana Rasoamanarivo ny komity vaovao voafidy tamin'ny 7 mai 2023, mba hitantana ny Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy malagasy Roma/Italia. Enina mianadahy no mandrafitra an'ity komity vaovao ity : P. Etienne (déhonien), P. Théo (Salesien), Sr Sandrine (maseran'ny Filles de St Paul), Sr Zo (vocationiste), Sr Lanto sy Luzziane (Baptistines). Mirary soa azy enina mianadahy. Tao ihany koa ny komity teo aloha, izay mbola manohy ny asa ankehitriny ho fampidirana miandalana an'ireo komity vaovao. Misaotra azy ireo ihany koa ny amin'ny vitan'izy ireo sy izay mbola hataony.

Momba ny "difesa" hataon'i P. Hasimanana dia nohamafisiny ny fanasana antsika rehetra izay efa nampitaina mivantana tao amin'ny San Macuto ny alahady 7 mai 2023. Efa fantantsika ny daty sy toerana efa voalaza ao amin'ny fanasana fa misy fiovana kely fotsiny araka ny efa nampitaina tamintsika : tsy mikarakara zavatra (zava-pisotro, tsaingoka) handraisana ny olona intsony isika aorian'ny difesa fa hisy sampana hiandraikitra izany ao amin'ny Université. Ny atao dia ny mampandre mialoha ny fahatongavantsika mba hahafantaran'i P. Hasimanana ny mety ho isantsika. Ampandrenesinao mivantana i P. Hasimanana, na ho an'izay mbola tsy nampandre dia azonao andefasana sms na messg koa aho alohan'ny hanomezako ny isa voaraiko any amin'ny P. Hasimanana ny talata 16 mai 2023 izao.

Anjaran'ny M.D.M.K indray ny manomana sy manentana ny litorjia amin'ny alahady 21 mai 2023.

Mirary soa antsika rehetra

P. Pascal sj