Alahady 15/10/2023

Miarahaba antsika rehetra !

Somary sarotsarotra ny nidirana teto Roma-centro ny alahady maraina 15 ôktôbra teo noho ny fisian'ny marathon. Ho an'izay nitondra fiara hande hamonjy lamesa dia nisedra olana, nisy mihitsy aza niverin-dalana nody. Afaka niaraka tao amin'ny sorona masina ihany anefa isika na dia somary taratara aza ny fanombohany. Môpera Faly no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin-dry môpera Joslin sy Pascal. Francel no nisahana ny asan'ny mpiservy. Ny M.D.M.K. no nanomana sy nanentana ny litorjia. Isaorana isika rehetra, indrindra fa tamin'ny fiarahantsika niombona niara-nivavaka.

Amin'ny alahady 22 ôktôbra 2023 dia anjaran'ny ELVIR indray no manomana sy manentana ny litorjia ary isaorana ny "Saint Augustin" izay efa nanatanteraka ny fanadiovana ny fiangonana ny alahady teo.

Hankalaza ny faha-10 taona naha-pretra azy i P. Kennedy ny 22 ôktôbra izao  any amin'ny paroasy iandraiketany (Aprilia) ka entintsika am-bavaka. Manasa antsika koa izy ka mila misoratra anarana any amin'ny Président Solo izay ho afaka. Amin'io alahady 22 ôktôbra io ihany koa moa dia hisy fihaonan'ny Pretra sy Relijiozy malagasy eny amin'ny Casa generalizia n'ny Déhoniens (via del Casale San Pio V, 20).

Hanao fifidianana ny "BIRAO" isika amin'ny alahady 29 ôktôbra 2023 izao. Entanina isika mba ho tonga handray anjara amin'io fa adidintsika kristianina ihany koa izany. Ny fanendrena sasany ao amin'ny "komity" dia handeha aorian'ny firafitry ny birao vaovao. Entintsika am-bavaka ny fanomanana an'io fifidianana io.

Fanaontsika ny sortie isam-bolana ka  hataontsika any Orte ny sortie volana novambra 2023. Hampifanarahantsika amin'ny batemin-janak'i Mr Rado sy Mme Caroline amin'ny alahady 5 novambra 2023. Manasa antsika rehetra rahateo koa izy ireo amin'io andro io. Toy ny fanaontsika mahazatra dia mba mivimbina izay azo vimbinina isika hiarahantsika mifampizara amin'ny sakafo. Parrocchia Santa Maria della Strada, via Tuscania, 5, 01028 Caldare VT no hanaovana ny batemy ; amin'ny 11 ora ny sorona masina (litorjia amin'ny teny malagasy). Koa satria mila fanomanana ny fomba handehanantsika any dia tsara mampahafantatra dieny izao izay handeha hahamora ny fikarakarana ny fiara iombonana (misoratra anarana any Mlle Hanitra na P. Pascal). Folo mahery kely no efa fantatra sy voasoratra.

Mirary soa antsika rehetra

P. Pascal sj