Alahady 17/03/2024

 

Misaotra antsika tonga marobe niara-nankalaza ny alahady faha-5 amin'ny karemy na dia teo aza ny fahasarotan'ny fahatongavana tao amin'ny fiangonantsika nohon'ny fisian'ny "marathon"

● Tonga nitsidika ny ankohonana malagasy moa ' i P.Jocelyn, provincial n'ny fikambanan'ny Jesuites  ka izy no nitarika ny sorona masina, notronin'i mômpera isany: Barnabé, Faly, Frezy, Nicolas ary i Joslin izay sady teo amin'ny fitendrena ny vato maroafitsoka.
Nisy ary nahafinaritra ny tsaingoka sy goka natao taorian'ny lamesa izay sady nahafahana nitafatafa tamin'i provincial 

● Ny  MDMK  no nanentana ny litorjia 

● An'ny ELVIR  no manentana ny litorjia amin'ny alahady 24 mars.(Alahadin'ny sampankazo ).
Hisy ny tsaingoka sy goka aorian'ny lamesa ho fanamarihana izany fety lehibe izany. Hisy koa ny famerenan-kira sy famerenana ny dihy vavaka hanomanana ny Paka.

● Ny alahady 24 Mars dia hisy vavaka firaisam-pinoana hivavahana manokana ho an'ny tanindrazana  manomboka amin'ny 3 ora tolakandro ka hatramin'ny 5 ora sy sasany hariva ao amin'ny fiangonana San Macuto 

● Efa voaomana ny litorjia  mandritra ny hateloan' andro mialohan'ny Paka (tridium Pascal) ka toy  izao ny fandaminana ny anjara andraikitra amin'izany: 

Alakamisy Masina
Manentana :  Fraternità Malgascia
Vakiteny 1 : Ekipa solide
Vakiteny 2 : Relijiozy
Ranombavaka : Elvir sy MDMK

Zoma Masina
Manentana : Ekipa solide
Vakiteny 1 : Relijiozy
Vakiteny 2 : MDMK
Ranombavaka: Elvir sy Fraternità Malgascia

Sabotsy Masina
Manentana : Relijiozy
Vakiteny 1: MDMK
Vakiteny 2: Elvira
Vakiteny 3 : Fraternità malgascia
Vakiteny 4: Ekipa solide
Manomboka amin'ny 6 ora hariva (18h) ny fotoanantsika mandritra ireo 3 andro ireo.  

●Entintsika am-bavaka hatrany ireo tsy salama indrindra ny aumônier. Mangataka vavaka kely avy ao am- pontsika ka  na dia arahaba ry Maria 1  ihany aza vitantsika ho azy dia efa zava-dehibe izay.

Mirary ny soa ho antsika rehetra