Alahady 17/09/2023

Miarahaba antsika rehetra ! 

Fintinina amintsika indray ny fizotran'ny alahady 17 septambra 2023 teo sy izay tsara ho fantatra ato ho ato .

P. Pascal no nitarika ny lamesa, niaraka tamin'i P. Sitraka, P. Joslin ary Diakra Olivier. Ny M.D.M.K. no nanomana sy nanentana ny litorjia, niaraka tamin'ny mpitendry P. Joslin. Seba no niandraikitra ny raharahan'ny mpiservy. Isaorana isika ary tsy hadino ihany koa ireo nanao raharaha manokana hafa toy ny fitantazan-drakitra, fandravahana fiangonana sy ôtely...Isaorana daholo isika tonga niara-nivavaka ary tsy hadinontsika ihany koa ny mivavaka sy miombona amin'ireo naniry ho tonga nefa tsy afaka noho ny antony samihafa. Taorian'ny lamesa dia nisy fianarankira fanomanana ny fety amin'ny 8 ôktobra : hira Victoire  hatao fisaorana (Hiran'i P. Jonah sj, hirain'i Haga) sy hiran'ny fifanomezam-piadanana (mbola an'i P. Jonah sj, hirain'i Haga ihany koa). Hira izay samy azontsika ianarana ao amin'ny youtube ihany koa.

Amin'ny alahady 24 septambra 2023 izao dia anjaran'ny ELVIR indray no manomana sy manentana ny litorjia

Ampahatsiavina antsika ireto daty vitsivitsy izay hanehoantsika fiombonana ireto : Amin'ny 24 septambra izao dia hisy fandraisana an'i P. Kenedy (don Angelo) ao amin'ny Parrocchia Santo Spirito, Aprilia. Amin'ny 30 septambra dia hisy voadin-dry masera Vocationistes any Pianura, ao amin'ny Chiesa St Famiglia amin'ny 10 ora maraina. Amin'ny 1 ôktôbra dia hisy fankalazan'i Sr Fabrice (maseran'ny Suore Discepole di Santa Teresa del Bambino Gesù) ny jobily faha-25 taona naha-Relijiozy azy any Gioia Sannitica amin'ny 11:30. Mampandre ny any an-toerana isika izay afaka mba hanomanan'izy ireo ny fandraisana. 

Mikarakara fihaonana amin'ny Evekan'izy ireo avy any Madagasikara ny zanaky ny diosezin'Ambanja amin'ny alahady 1 oktobra izao, ka any amin'ny Parrocchia Nostra Signora de La Salette (Piazza Madonna de La Salette, 1, 00152 Roma) no hanaovana azy. Mgr Donatien no hitarika ny lamesa. Ny zanaky ny Diosezin'Ambanja no mikarakara mivantana toy ny resaka fanomanana litorjia, fa mandray anjara mivantana ny Ankohonana amin'ny alalan'ny "danse liturgique" amin'ny "Voninahitra". Toy izany koa eo amin'ny fikarakarana sy fanomanana sakafo dia hiandraiketan'ny zanaky ny diosezy Ambanja, fa afaka mitondra izay azontsika entina ihany isika. Tsy misy lamesa izany any amin i San Macuto amin'io andro io fa miaraka any daholo isika. Toy izao ny fandaharam-potoana amin'io : "Amin'ny 10:30 ny fahatongavana, amin'ny 12:30 ny lamesa, fiaraha-misakafo avy eo...heverina ho vita amin'ny 15:30 ny daholo be fa ny zanaky ny diosezy Ambanja mbola hisy fihaonana manokana amin'i Mgr Donatien.

Amin'ny alahady 8 ôktôbra ny fetin'ny Ankohonana Rasoamanarivo, any amin'ny Casa Generalizia n'ny Pères Missionnaires de la Sainte Famille, via Odoardo Beccari 43, 00154 Roma (zona Ostiense). Efa mandeha ny fanomanana, toy ny fianaran-kira aorian'ny lamesa refa alahady. Ny Pretra sy Relijiozy no manentana ny litorjia amin'io fa ifanampiana sy ifarimbonana koa amin'ny maha fety azy. Ny hira fisaorana sy fifandraisan-tanana efa iomanana ka efa natomboka ny fianarana azy. Hisy ekipa handinika sy hiasa manokana miaraka amin'ny komity ihany koa momba an'io fety io ka hihaona izy ireo amin'ny alahady 24 septambra aorian'ny lamesa, sy amin'ny alahady 1 oktobra (mitady fotoana hahafahana mihaona any amin'ny Salettins, mety oe aorian'ny sakafo ???).

Izay fa dia mirary soa ho antsika rehetra

P. Pascal sj