Alahady 19/03/2023

P. Faly no nitarika ny sorona masina ny alahady 19 marsa teo, niaraka tamin'i P. Jocelin. Ny M.D.M.K. kosa no nanentana ny litorjia. Isaorana izy ireo ary ankasitrahina koa ireo nisahana fandraisana anjara manokana tamin'ny fiaraha-mivavaka, toy ny mpitendry, mpiservy, mpitaty rakitra, mpikarakara chocolat chaud taorian'ny lamesa...sns. Isaorana isika rehetra tonga niara-nivavaka ary tsy hadino ny mivavaka mandrakariva ho an'ireo namantsika te-hiara-mivavaka amintsika nefa tsy afaka noho ny antony samihafa.

Amin'ny 26 marsa ho avy izao, Alahady fahadimy amin'ny karemy taona A, dia anjaran'ny ELVIR no manomana sy manentana ny litorjia. Amin'io andro io ihany koa, saingy amin'ny 3 ora tolakandro, dia hisy ny vavaka iraisam-pinoana eo amin'ny sehatry ny F.F.K.M. Roma. Ao am-piangonana ihany no hanaovana azy (San Macuto).

Manasa antsika rehetra amin'ny fanamasinana azy ho diakra i Frera Simon Rabemaharavo, zezoita, mba ho tonga sy hiombona aminy amin'ny faha-11 aprily 2023 amin'ny 4 ora tolakandro. Ny toerana dia ao amin'ny Chiesa del Gesù Roma ( jereo ny invitation ao amin'ny site n'ny Ankohonana Rasoamanarivo).

Na dia mety ho maro aza no ho raikitra amin'ny asa, dia entanina izay afaka hankalaza ny herinandro masina izay hataontsika ao amin'ny Collegio San Roberto Bellarmino ihany (Chiesa San Macuto). Toy izao ny fandaharam-potoanantsika amin'ny herinandro masina :

Alakamisy 6 aprily 2023 : Litorjia alakamisy masina (Messa nella Cena del Signore) manomboka amin'ny 6:30 hariva. Ny Relijiozy no manentana ; M.D.M.K. manao ny vakiteny voalohany, ELVIR ny vakiteny faharoa ary Fraternità sy Saint Augustin ny ranombavaka.

Zoma 7 aprily 2023 : Litorjia zoma masina (Passione del Signore) manomboka amin'ny 6:30 hariva. Ny M.D.M.K. no manentana ny litorjia ; ny ELVIR no manao ny vakiteny voalohany, ny Fraternità vakiteny faharoa, ny ranombavaka ataon'ny Saint Augustin sy Relijiozy.

Sabotsy 8 aprily 2023 : Litorjia Sabotsy masina (Veglia pasquale nella notte santa) manomboka amin'ny 6:30 hariva : Ny ELVIR no manentana ny litorjia ; ataon'ny Fraternità ny vakiteny voalohany, an'ny Saint Augustin ny vakiteny faharoa, an'ny Relijiozy ny fahatelo ary an'ny M.D.M.K. ny fahefatra.

Raha misy vondrona tsy mahatonga solontena mihitsy amin'ireo andro telo ireo dia isika izay tonga no mifanampy amin'ny fampandehanana ny litorjia eo na dia efa voazara aza.

Dia mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra indray

P. Pascal sj