Miarahaba antsika rehetra !
Niara-nankalaza ny sorona masin’ny alahady faha-25 mandavantaona (D) isika ny 21 septambra 2025. P. Pascal no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin’ireo pretra vaovao (vao avy nohamasinina tany Madagasikara) : P. Rémi sy P. Jordan, izay samy ao amin’ny Fikambanan’ny Trinitera. Ny M.D.M.K. no nanomana sy nanentana ny litorjia ary i José no nitendry ny zavamaneno.
Taorian’ny sorona masina dia nandeha tany amin’ny Parc “Villa Carpegna” isika nianatra ny dihy hatao amin’ny alahady 5 ôktôbra tolakandro, “giubileo dei Migranti e del Mondo Missionario”. Amin’ny alahady ho avy izao, 28 septambra, dia mbola hanohy ny fianarana io dihy io isika aorian’ny lamesa ; mbola any amin’ny Villa Carpegna ihany ny toerana. Mamonjy any amin’ny 13:00 hanao sakafo “pique-nique” isika. Ho an’ireo izay tsy hanatratra ny sakafo kosa dia amin’ny 14:00 no tratrarina any satria amin’io ora io no hanombohana ny fianarana dihy.
Amin’ny alahady 28 septambra 2025 dia anjaran’ny ELVIR no manomana sy manentana ny litorjia. Amin’io alahady io dia ho tonga hamangy antsika i P. Jaovelo (diosezin’Ambanja) ka izy no hitarika ny sorona masina.
Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra !
P. Pascal, sj