Alahady 22/12/2024

Miarahaba antsika rehetra !

Alahady farany amin'ny Fiaviana androany, 22 desambra 2024, ka andrasantsika am-pifaliana hatrany ny fahaterahan'ny Mesia. Môpera Pascal no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin'i P. Eugène sy Diakra Rémi. Ny ELVIR kosa no nanomana sy nanentana ny litorjia ; Frera Sylvain no nitendry ny zavamaneno. Taorian'ny sorona masina dia nisy famerenana sy fanamasahana ny litorjian'ny noely. Misaotra antsika rehetra tonga niara-nivavaka. 

"Fa misy zaza teraka ho antsika". Hankalaza manetriketrika ny Noely isika amin'ny alarobia 25 desambra izao. Hanomboka amin'ny 9:45 maraina ny lamesa. Amin'ny maha-fety lehibe azy dia hifarimbonantsika ny fanamasahana ny litorjia. Ny "Ekipa sôlida" manao ny fanentanana ; ny solontenan'ny pretra sy relijiozy manao ny vakinteny I ; ny M.D.M.K. manao ny vakiteny II ; ny ELVIR sy Fraternità manao ny ranombavaka. Hifarimbonantsika solontena isaky ny Gropy na fikambanana ihany koa ny fampiaraham-peo mandritra izany ; hanampy tosika izany ireo olona sasany izay efa tapa-kevitra handrafitra ny Chorale n'ny Ankohonana Rasoamanarivo.  Manentana antsika mba ho tonga ara-potoana mba hahafahantsika mankalaza am-pilaminana ny "Noelintsika".

Amin'ny 29 desambra 2024, Fetin'ny Fianakaviana masina, dia anjaran'ny Fraternità ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia

Amin'ny alahady 12 janoary 2025 dia i môpera Jaovelo (diosezin'Ambanja), izay mankalaza ny faha-50 taona naha-pretra azy, no hitarika ny sorona masina ao amin'ny Chiesa San Macuto-Bellarmino.

Izay ary aloha fa dia mirary Noely sambatra sahady ho antsika rehetra.

P. Pascal, sj