Alahady 23/04/2023

Misaotra an'i Môpera Narindra nitarika ny sorona masina androany 23 avrily 2023, niaraka tamin-dry môpera isany Barnabé, Joslin, Pascal ary ny diakra Simon. Isaorana toy izany koa ny ELVIR nanentana ny litorjia, niaraka tamin'ny mpitendry (P. Joslin). Ankasitrahana ireo nisahana fandraisana anjara manokana toy ny mpiservy (Seba), mpandravaka sy mpanomana ny hôtely, mpitaty rakitra, mpanomana ny "chocolat chaud". Isaorana isika rehetra niombom-bavaka tamin'ity andro anio ity.

Amin'ny alahady 30 avrily 2023 dia tsy hisy lamesa ao amin'ny fiangonantsika San Macuto. Hihaona ao indray isika amin'ny alahady 7 mai ka ny Saint Augustin no hanomana sy hanentana ny litorjia amin'io alahady 7 mai io.

Momba ny anarana 2 isaky ny Fikambanana nangatahiko tamin'ny paka dia mbola misy tsy nahatonga. Mba alefaso message na email aty amiko.

Manokana momba ny Pelèrinage any Lourdes :

Miainga amin'ny zoma 28 avrily izao isika, eny amin'ny Piazzale Dei Partigiani (Ostiense) ny fiaingana amin'ny 1 ora tolakandro (13h). Tokony ho tonga any Lourdes ny sabotsy 29 avrily eo amin'ny 9:30 maraina eo. Misy fandaharana efa voavolavola ho antsika any izay ho ampahafantarina antsika mandritra ny Voyage mandroso. Ny Alahady 30 avril amin'ny 6 ora hariva no hiala any Lourdes isika hiverina aty Roma, tombanana ho tonga eny amin'ny Piazzale Dei Partigiani (Ostiense) ny alatsinainy 1 mai amin'ny mitataovovonana (12:00).

Nisy fotoana somary niaka-nidina ny vola notenenina haloantsika. Niakatra 39 ny isantsika farany androany, noho izany mijanona 210€/pers. ny vola haloantsika. Ho an'izay efa nanome ny 100€ izay efa nangatahina mialoha, dia 110€ izany sisa haloany eo am-piaingana. Ho an'izay mbola tsy nandoa mihitsy moa dia aloany eo am-piaingana ny 210€.

Tsara ihany mivatsivatsy labozia sao ilaintsika ihany le amin'ny "candle procession".

Mirary soa antsika rehetra

P. Pascal sj