Alahady 23/07/2023

 

Miarahaba antsika rehetra !

Nitarika ny lamesa tamin'ny alahady teo, 23 jolay 2023, i P. Narindra, niaraka tamin'i PP. Faly, Désiré ary Pascal. Ny ELVIR no nanentana ny litorjia. Misaotra antsika ary mankasitraka ihany koa an'ireo nandray anjara manokana tamin'ny fanatanterahana ny sorona masina, toy ny mpitendry, mpandravaka sy mpanomana hôtely, mpiservy, mpitaty rakitra...sns. Isaorana isika rehetra tonga niara-nivavaka na dia eo aza ny hafanana tsy maha-te-hivoaka.

Amin'ny alahady izao, 30 jolay 2023, dia anjaran'ny Vondrona Fraternità ny manentana ny litorjia. Eto dia manararaotra misaotra azy ireo koa tamin'ny fanatanterahan'izy ireo  ny fandiovana ny fiangonantsika San Macuto ny alahady teo, taorian'ny lamesa.

Araka ny efa nampitaina tamintsika dia any amin-dry Masera n'ny "Battistine", Via del Casale di San Pio V, 1, no hamaranantsika ny taona pastoraly 2022-2023 amin'io alahady 30 jolay 2023 io. Amin'ny 9 ora ny fahatongavantsika any ; amin'ny 10 ora kosa no hanaovantsika ny lamesa ; dia tohizana amin'ny fiaraha-misakafo sy korana isan-karazany. Mandao tanteraka ny toerana isika amin'ny 5:30 hariva. Toy ny fanaontsika dia entanina izay afaka mivimbina zavatra kely hifampizarantsika, toy ny hena hatono na zavatra hafa tsy ferana.

Amin'io alahady io no hanaovantsika famangiana an-dry Bodo mirahavavy izay vao avy namoy Ray niteraka. Eo am-panombohana ny lamesa moa no hanaovantsika ny famangiana. Hanolotra sorona masina ho an'ny fialan-tsasatry ny fanahin'ny Rain'izy ireo isika. Vao voaraintsika koa ny vaovao mampalahelo iray, dia ny fahalasan'i Sr Sabine (Roma), maseran'ny Discepole del Sacro Cuore ; hivavaka ho an'ny fialan-tsasatry ny fanahin'i Masera koa isika amin'io andro alahady io.

Mandritra ny volana aogositra 2023 dia miova "rythme" kely isika. Tsy misy lamesa ao am-piangonantsika fa mba samy mamonjy lamesa any amin'ny paroasy akaiky azy any daholo. Manomboka ny taona pastoraly vaovao ndray isika, 2023-2024, amin'ny 3 septambra 2023 ao amin'ny fiangonantsika San Macuto.

Mirary soa antsika rehetra

P. Pascal sj