Alahady 24/03/2024

 

 

Faly miarahaba ny rehetra indray,

ny alahadin'ny Sampankazo teo dia i mompera Barnabé no nitarika ny Sorona Masina notronin'i mômpera isany : Nicolas sy Joslin (izay sady nitendry ny vatamaroafitsoka). Ny  Elvir no nanao ny fanentanana ny litorjia sy nanatontosa ny fanadiovana ny fiangonana tamin'ity volana mars ity. 

Tsy dia vitsy loatra ny mpivavaka na dia maromaro aza ireo namonjy ny sampankazo tany amin'ny Kianjan'i Md Piera teny amin'ny Vatican. Taorian'ny lamesa dia nisy fialana hetaheta miavaka be satria sady sakafo antoandro ilay izy. Vita izay dia nanomana ny dihy sy ny hira izay hanamasahana ny fetin'ny Paka. Mbola hisy moa izay famerenana izay ny alakamisy masina mialohan'ny lamesa ka anasana antsika izay afaka rehetra ho tonga alohaloha kely.

Nisy ny vavaka firaisam-pinoana voaomana tsara ny tolak'andron'ny alahady 24 mars lasa teo ka afa-po ny rehetra izay tonga nanatrika tao.

Antomotra ny fety izay efa nokarakaraintsika hatry ny ela ka ampahatsiahivina eto ny anjara andraikitra mandritra izany.

— Alakamisy Masina
Manentana :  Fraternità Malgascia
Vakiteny 1 : Ekipa solida
Vakiteny 2 : Relijiozy
Ranombavaka : Elvir sy MDMK

— Zoma Masina
Manentana : Ekipa solida
Vakiteny 1 : Relijiozy
Vakiteny 2 : MDMK
Ranombavaka: Elvir sy Fraternità Malgascia

— Sabotsy Masina
Manentana : Relijiozy (sady angatahana tokoa ianareo relijiozy ho avy mba handredona tsarabe ny hira mandritra ny lamesa sy handihy amin'ny " Exsultet" )
Vakiteny 1: MDMK
Vakiteny 2: Elvir
Vakiteny 3 : Fraternità malgascia
Vakiteny 4: Ekipa solida
Manomboka amin'ny 6 ora hariva (18h) ny fotoanantsika mandritra ireo 3 andro ireo. Angatahana mba samy hiomana tsara daholo ny mpandray anjara rehetra amin'izany.

Ny litorjia amin'ny alahadin'ny Paka dia anjaran'ny Fraternità Malgascia.  Hisy fialana hetaheta aorian'ny lamesa ka isika rehetra ihany no hikarakara izany.

Ny fanadiovana fiangonana amin'ny volana aprily dia anjaran'ny Ekipa Solida.
Aza adino ny mandefa any amin'i aumônier ireo sosokevitra mety hanatsarana ny litorjia.
Entintsika am-bavaka hatrany ny fahasalamany. 

Mirary ny soa ho antsika rehetra.