Alahady 24/09/2023

Miarahaba antsika rehetra,

Môpera Félix no nitarika ny lamesa ny alahady 24 septambra 2023 teo, niaraka tamin'dry Môpera isany : Faly, Pierrot, Robert Mamisoa, Pascal. Seba no niandraikitra ny raharahan'ny mpiservy. Ny ELVIR no nanomana sy nanentana ny litorjia. Isaorana isika rehetra ary tsy hadino koa ireo nisahana raharaha hafa manokana toy ny fitatazana rakitra, fandravahana ôtely. Isaorana isika rehetra tonga niara-nivavaka.

Ny litorjia amin'ny alahady 1 ôktôbra 2023 dia tokony ho anjaran'ny Saint Augustin no manomana sy manentana azy. Horaisin'ny zanaky ny diosezin'Ambanja an-tanana anefa izany. Eto dia manamafy ny lamesa karakarain'ny zanaky ny diosezin'Ambanja eto Roma amin'io 1 ôktôbra io ka any amin'ny Parrocchia Nostra Signora de la Salette, Piazza Madonna de la Salette 1, 00152 Roma, ny lamesantsika tarihin'i Mgr Donatien, evekan'Ambanja. Amin'ny 10:30 ny fahatongavana, amin'ny 12:30 ny sorona masina, arahin'ny fiaraha-misakafo. Avy eo hisy fotoana manokana hihaonan'ny zanaky ny diosezin'Ambaja miaraka amin'i Mgr Donatien.

Eo am-panomanana ny fetin'ny Ankohonana isika amin'izao fotoana izao. Araka ny efa fantatsika dia any amin'ny Casa Generalizia des Pères missionnaires de la Sainte Famille, via Odoardo Beccari 43, 00154 Roma (zona ostiense) no hanaovana izany. Amin'ny 9:00 ny fahatongavana, amin'ny 10:00 ny sorona masina, arahin'ny sakafo sy ny korana isan-karazany. Raha misy hena na trondro hatono entinao dia tongava aloha mba hanomanana azy...Ho tonga hamonjy ny sinôda aty Roma i Mgr Jean Pascal, evekan'Antsirabe, mandritra ny volana ôktôbra, nasaina noho izany izy mba hitarika ny sorona masina amin'io fetin'ny Ankohonana io. Ka raha tsy misy ny mety ho sakana avy ao amin'ny programan'ny sinôda dia izy no hitarika ny lamesantsika.

Mirary soa antsika rehetra,

P. Pascal sj