Miarahaba antsika rehetra !
Nankalaza an’i Kristy Mpanjaka isika ny alahady 24 nôvambra 2024 teo. Tao anatin’ny sorona masina tamin’io andro io ihany koa no nitsofandrano ny fanambadian’i BELAHY Jean sy RAVO Denise. Mompera Beroby Ernest no nitarika ny lamesa sy nitsodrano ny mariazy tao amin’ny Chiesa San Macuto-Bellarmino. Notronin’ireo pretra izay tonga tao ihany koa izy. Nanao ny raharahan’ny mpiservy kosa ireo frera mirahalahy karma. Nanafana sy nanentana ny litorjia ny “Fraternità”, niaraka tamin’i Silvestro teo amin’ny fitendrena zavamaneno.
Taorian’ny sorona masina indray dia niaraka tany amin’ny trano fanaovam-pety isika, namaly ny fanasan’izy mivady amin’ny fiarahana misakafo sy mikorana, noho ny fahasoavana noraisin’izy ireo. Eto dia mbola mamerina ny fiarahabana azy mivady nandray fahasoavana. Averiko eto ihany koa ny teny fisaorana sy fankasitrahana avy any amin'izy mivady ho antsika rehetra, noho ny fiombonantsika tamin'izy ireo tamin'iny fotoana iny.
Amin'ny 1 desambra 2024 dia anjaran'ny "Ekipa sôlida" ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia. Alahady voalohany amin'ny Fiaviana amin'io andro io, taom-baovan'ny Fiangonana ihany koa satria eo no anombohantsika ny taona D.
Misy fanasana roa efa hitantsika mivoaka any amin'ny WhatsApp n'ny Ankohonana Rasoamanarivo any : ny voalohany dia fanasana avy amin'ny Carma amin'ny voady farany izay hataon'i Fra. Clariel amin'ny sabotsy 14 desambra 2024 amin'ny 11 ora, ao amin'ny TERESIANUM Roma, Piazza San Pancrazio, 5/a. Ny faharoa kosa dia Jôbily faha-25 taona naha-Relijiozy an'i Sr Claudia dello Spirito Santo, Fikambanan'ny Maseran'ny Trinite eto Roma. Ny sorona masina dia amin'ny 29 desambra 2024 amin'ny 11 ora, ao amin'ny "Parrocchia San Antonio da Padova in Campomaggiore.
Amin'ny alahady 8 desambra 2024 izao dia hanao "Récollection" hiomanana amin'ny Noely 2024 isika. Dia-be mivoaka makany Teramo no fomba hanatanterahantsika azy. Frera Désiré no hifampizara amintsika momba ny "Taon-jôbily". Hiaraka hankalaza ny sorona masina amin'ny Paroasy any an-toerana isika amin'ny 11 ora maraina amin'io andro io. Maka fiara iombonana isika. Avoakantsika tsy ho ela ao amin'ny WhatsApp ny antsipirihany tokony ho fantatra mialoha. Araka ny efa nampitaina tao am-piangonana dia raha tombanana hitotaly ho 40€ isan'olona ny fizarazarana ny ofan'ny fiara (mandroso sy miverina) dia aloantsika izay handeha ny antsasany amin'io, ny antsasany hafa kosa dia haloan'ny Ankohonana. Mbola maro ny toerana ho antsika izay te handeha ka tsara mampahafantatra alohan'ny alahady 1 desambra izao.
Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra.
P. Pascal, sj