Alahady 25/06/2023

P. Narindra no nitarika ny lamesa ny alahady 25 jiona 2023. Niara-nanolotra ny Sorona masina taminy kosa ry môpera isany : Joslin, Tojo, Frésie ary Pascal. Ny ELVIR no nanentana ny litorjia, P. Joslin no nitendry ny zavamaneno. Isaorana isika ary ankasitrahantsika manokana ihany koa ny mpiservy, ny nitaty rakitra, ny nanadravaka ny fiangonana sy ny ôtely...sns. Isaorana isika rehetra tonga niara-nivavaka.

Nitondra am-bavaka manokana ny Firenentsika isika tamin'io alahady io nandritra ny Sorona masina noho ny fankalazantsika ny fetin'ny fahaleovantena malagasy. Ho fikajiana ny fahafahan'ny maro amin'izany fety izany dia naroso ny alahady 25 jiona tolakandro tany amin'ny Masoivoho eto Roma ny lanonana fankalazana. Ny andro mialoha an'io, izany hoe ny 24 jiona, dia maromaro ny fandaharana nifanindry ka nizarazara araka an'izay azo natao isika : tao ny batemy sy fisoratana, tao ny fanamasina diakra ary tao ihany koa ny fetim-pikambanana. Eto dia miarahaba manokana ireo nandray fahasoavana tamin ny alalan'ny sakramenta (batemy, fanamasinana ho diakra).-

Anjaran'ny Saint Augustin ny manomana sy manentana ny litorjia amin'ny alahady 2 jolay 2023. Hiandraiketan'ny Fraternità kosa ny fandiovana ny fiangonana San Macuto amin'ity volana jolay ity.

Fanamafisana ny filazana momba ny fitsofandrano ny Pallium amin'ny alakamisy 29 jiona 2023 : Manoloana ny "Ancora", eo amin'ny Via della Conciliazione (vatican) no mihaona isika amin'ny 7 ora maraina alohan'ny hilaharana hiditra ao amin'ny Basilika. Hisy olona ho tonga eo an-toerana amin'io ora io hizara ny billets amintsika. Ahina tsy haharaka ny billets azo fa raha misy mahita hafa any ho any dia ento foana fa misy mila.

Amin'ny 9:30 ny fanombohan'ny lamesa ao amin'ny Basilika Md Piera

Aorian'ny lamesa dia mandeha (an-tongotra) mamonjy ny Residenza San Pietro Canisio (via dei Penitenzieri 20, 00193) hiara-hisakafo amin'i Mgr Jean de Dieu. Miditra avy eo amin'ny vavahadin'ny fiara Borgo S. Spirito 4 (vavahadin'ny Maison Générale de la Compagnie de Jésus). Mety hilaina ihany ny mifampaka num.-phone mba hahafahana mifampiantso amin'izay efa tafiditra ny trano raha tara satria andro tsy fiasana amin'io ka tsy misy mpiasa any amin'ny portineria).

N.B. : Azo aterina mialoha aty amin'ny trano hisakafoanana ny entana entinareo, toy ny sakafo ohatra

Mirary soa antsika rehetra

P. Pascal sj