Alahady 26/03/2023

Nitarika ny sorona masina tamin'ny alahady 26 mars teo i P. Narindra, notronin-dry môpera isany Barnabé, Faly, Etienne, Joslin, Fidèle. Isaorana ianareo môpera. Isaorana ihany koa ny ekipan'ny ELVIR izay nanentana ny litorjia, eo ihany koa ireo izay nandray anjara manokana nandritra ny lamesa  toy ny teo amin'ny lafiny teknika (Seba), ny mpitendry, ny mpitaty rakitra... Mampidera sy mampisaotra an'Andriamanitra ny fahatongavantsika miara-mivavaka.

Mampisaotra an'Andriamanitra ihany koa ny nanatontosantsika ny vavaka iraisam-pinoana teo amin'ny sehatry ny FFKM Roma. Misaotra an'ireo rehetra nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka izany fotoam-bavaka izany.  Nitondrantsika am-bavaka ny firenentsika ny vavaka iraisam-pinoana. Tena mila an'izany tokoa ny firenentsika indrindra amin'izao fiomanana sahady amin'ny fifidianana izao : mba tsy ny fitiavan-daza, voninahitra, fisehosehoana, tombontsoa manokana no hibaiko ny fihetsika sy ny atao rehetra fa mba tena fitiavana sy fikatsahana hanasoa ny vahoaka malagasy. Ho tohizantsika hatrany noho izany ny vavaka.

Anjaran'ny Vondrona Saint Augustin indray ny manomana sy manentana ny litorjia amin'ny alahady 2 avrily 2023 izao, sampankazo. Momba ny fandaharana manokana momba ny fifampizarana andraikitra mandrindra ny herinandro masina kosa dia jerentsika amin'ny vaovao efa nalefa teo aloha fa efa voafaritra any (site Ankohonana, email, whatsApp). Ny fifampizarana andraikitra ny Alakamisy masina, zoma masina, sabotsy masina dia azontsika ifandaminana ao arakaraka ny zava-misy sy ny olona tonga any am-piangonana, na dia efa nofaritana mazava aza.

Efa manakaiky ny fotoana hanamasinana ho diakra an'i Frera Simon Rabemaharavo. Efa nalefa tamintsika teto ny fanasana fa fampahatsiahivana fotsiny no ataoko eto. Hatao ao amin'ny Chiesa del Gesù eto Roma ny fanamasinana amin'ny talata 11 avril izao, amin'ny 4 ora tolakandro. Manasa antsika rehetra.

Ary farany, mbola fampahatsiahivana ihany koa. Amin'ny alahady 9 avrily no andro farany handefasan'ny vondrona tsirairay ireo solontena roa isaky ny vondrona handrafitra ny Consiglio pastorale. Tokony ho fantatry ny aumônier amin'io daty io ireo olona ireo na dia 15 avril aza izy vao tafaverina ao Roma. Isaorana betsaka izay efa nandefa ny azy.

Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra

 

P. Pascal Andriamitantsoa sj