ALAHADY 26/10/2025

Miarahaba antsika rehetra !

Môpera Théophile no nitarika ny sorona masina ny alahady 26 ôktôbra teo, niaraka tamin-dry môpera Albert (assomptionniste avy any Mada, mandalo eto Roma), Julien, José, Pascal, Joslin. Ity farany moa dia sady teo amin’ny fitendrena zavamaneno. Ny ELVIR no nanomana sy nanentana ny litorjia.

Anjaran’ny “Ekipa sôlida” indray ny manomana sy manentana ny litorjia amin’ny alahady 2 novembra 2025 izao. P. Jocelyn Rabeson, Provensialin’ny zezoita – Madagasikara, no hitarika ny sorona masina. Aorian’io lamesa io dia handeha hamangy ny fasan’i P. Paul Louis any Verano isika izay afaka. Misokatra ny fasana manomboka amin’ny 10:00 maraina ary mikatona amin’ny 5 ora hariva.

Hamafisina hatrany ny fiomanantsika amin’ny fanaovana vokatra amin’ny alahady 16 novambra 2025. Entanina isika mba hanomana zavatra azo amidy ho vokatra (mora lafo kokoa raha mba zavatra hitanao hoe ilain’ny olona no entina). Azo atao koa ny mitondra vola ho solom-bokatra. 

Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra,

P. Pascal, s.j.