Alahady 26/11/2023

Miarahaba antsika rehetra !

Ny alahady 26 nôvambra 2023 teo no nankalazantsika an'i Kristy Mpanjakan'izao tontolo izao sady alahady namarana ny taona litorjikan'ny Fiangonana ihany koa. P. Pascal no nitarika ny lamesa, niaraka tamin'i P. Faly sy P. Joslin izay sady teo amin'ny fitendrena ny zava-maneno. Ny ELVIR no nanomana sy nanentana ny litorjia. Taorian'ny lamesa dia nisy tsaingotsaingoka sy fialana hetaheta nanamarihana ny faran'ny taonan'ny Fiangonana.  Isaorana isika rehetra tamin'ny fandraisana anjara ary tamin'ny fiarahantsika nivavaka.

Anjaran'ny "Saint Augustin" ny manomana sy manentana ny litorjia amin'ny alahady 3 desambra 2023. Araka ny efa nolazaina tamintsika tao am-piangonana dia amin'io andro io no hahitantsika farany ny fitondran'ny gropy ilay anarana hoe "Saint Augustin" fa hiova izany aoriana noho ny fandaminana anaty .

Amin'ny alahady 3 desambra 2023 dia tsy hiaraka amintsika ny M.D.M.K. fa hanao récollection izay ho fanomanana ny fanavaozana hataon'izy ireo amin'ny 8 desambra 2023 izao, hankalazantsika an'i Masina Maria virjiny notorontoronina tsy azon-keloka. Marihina moa fa ny M.D.M.K. no hanentana ny litorjia amin'io andron'ny 8 desambra io, amin'ny 9:30, ao amin'ny fiangonantsika San Macuto. Aorian'ny lamesa dia hanomana tsaingotsaingoka sy fialana hetaheta ho antsika izy ireo ary entanina ihany koa isika izay afaka mivimbina zavatra kely mba hifampizarana amin'izany.

Amin'ny alahady 10 desambra 2023 dia hanao récollection isika rehetra ho fanomanana ny Noely 2023. Ao amin'ny fiangonantsika ao San Macuto ihany no hanaovantsika azy ary hatomboka amin'ny lamesa amin'ny 9:30. Môpera Aimé (Collegio San Paolo Roma, diosezin'i Miarinarivo) no hitarika sy hanentana ny récollection. Mbola hampitaina amintsika eo ihany ny fandrindram-potoana momba izany.

Amin'ny volana desambra 2023 dia maromaro ny fandiovana ataontsika miaraka (noho ny fisian'ny tsaingotsaingoka  sy fialana hetaheta samihafa). Tsy hisy noho izany ny anjara fandiovana manokana fa hotohizantsika any amin'ny volana janoary 2024 ilay izy ka ny M.D.M.K. no hanomboka azy.

Averina sy ampahatsiahivina antsika ihany ireto daty ireto na dia mbola hisy aza ny fanampim-panazavana :

-  Alahady 7 janoary 2024 : Fifampiarahabana tratry ny taona vaovao hataon'ny  Ankohonana Rasoamanarivo (Mbola hohamafisina ny toerana)

- Alahady 11 febroary 2024 : Vokatra hataon'ny Ankohonana Rasoamanarivo (toerana mbola hofaritana)

Izay ary fa dia mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra

P. Pascal