Alahady 29/10/2023

Miarahaba antsika rehetra indray !

Nitarika ny sorona masina ny alahady 29 ôktôbra 2023 i môpera Pascal, niaraka tamin-dry môpera isany Barnabé, Faly ary Joslin. Niandraikitra ny raharahan'ny mpiservy i Francel. Ny vondrona "Fraternità" no nanomana sy nanentana ny litorjia, niaraka tamin'i Mr Sylvestre teo amin'ny fitendrena zava-maneno. Isaorana isika tamin'ny fiaraha-mientana sy fiaraha-mivavaka. Nandritra ny lamesa dia nentina am-bavaka ny fifidianana ny Biraon'ny Ankohonana izay natao tamin'io andro io.

Natao taorian'ny sorona masina ny fifidianana ny Birao ary tontosa soa aman-tsara. Toy izao ny vokatr'izany fifidianana izany : 

(Aumônier : Roger Pascal Andriamitantsoa)

Prezidà : Hanitra Raharisolo

Prezidà lefitra : Sylvestre Randriamasy

Mpitantsoratra : Bebiniriana Laurencia Ralisoa

Mpitantsoratra lefitra : Sylvain Ramandimbiarisoa

Mpitam-bola : Ernestine Rasoarimalala 

Mpitam-bola lefitra : Hasina Rakotomanana

Faly miarahaba sy mandray ny Birao vaovaon'ny Ankohonana. Ny fitantanana moa dia mbola tohizan'ny Birao am-perin'asa ankehitriny ihany mandrapahatongan'ny fotoana, mbola hotapahana, hanaovana famindran-draharaha. Rehefa am-perin'asa ny Birao vaovao dia hamolavola ny rafitra sasany hameno ny komity (mpanolontsaina na vaomiera hafa).

Hisy lamesa fankalazana manetriketrika ny olomasina rehetra amin'ny alarobia 1 novambra 2023 izao ao amin'ny fiangonana mahazatra antsika. Itambaran'izay tonga ao ny fanentanana ny litorjia. Aorian'ny lamesa dia handeha hamangy ny fasana misy an'i môpera Paul Louis Rafanomezantsoa any Verano isika, ho an'izay afaka.

Momba ny fandehanantsika any Orte ho any amin'ny batemin-janak'i Mr Rado sy Mme Caroline dia ampahatsiahina isika fa any Tiburtina ny fotoanantsika izay handeha "treno", amin'ny 8:30 maraina no tratrarintsika any mba hahafahantsika miara-miainga farafahatarany amin'ny 9:00. Hiezaka isika ho tafiaraka amin'ny fiaingana mba hahamora ny fitsenana antsika refa midina ny treno any an-toerana. Araka ny efa nampahafantarina dia ifarimbonana ny litorjia amin'io ka toy izao ny lamina : ny "St Augustin" manentana, Vakiteny I sy ny salamo iandraiketan'ny relijiozy, Vakiteny II M.D.M.K., ataon'ny ELVIR sy Fraternità ny ranombavaka. Ny hira redonin'ny rehetra...Marihina izany fa tsy misy lamesa ao amin'ny Chiesa san Macuto (Bellarmino) amin'io andro io. Ny saran-dalana mandroso € 5,10, ny miverina € 5,10.

Fanaontsika ny manao fandiovana faobe in-1 mandeha isam-bolana ny fiangonantsika. Amin'io volana novambra 2023 io dia anjaran'ny Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy no mitady fotoana hanaovan'izy ireo izany.

Mirary soa antsika rehetra,

P. Pascal sj