Alahady 30/04/2023

Faly miarahaba antsika rehetra. Tontosa ny fivahiniana masina nataontsika tany Lourdes. Isaorantsika Andriamanitra noho izany fahasoavana manokana namantarantsika bebe kokoa an'i Masina Maria tsy azon-keloka izany ary niezahantsika nahalala an'i Jesoa tamin'ny alalan'ny Reniny. Fahasoavana izany ary hitondra hery ho antsika hatrany eo amin'ny fiainam-pinoana. Tsy ho voatantarako eto moa ny fizotran'ny fivahinianana masina fa inoako fa samy nahazo ny fanomezam-pahasoana tsapany sy henony tao anatiny ny tsirairay. Fa azontsika arahina kosa ato amin'ny site n'ny Ankohonana ny raki-tsary rehetra voaray nandritra ny dia tany Lourdes.

Ny alahady 30 avrily 2023 dia tao Lourdes noho izany no nanaovana ny lamesa. Tao amin'ny Chapelle "Saint Maximin Kolbe". Isaorana ireo pretra mirahalahy nifanotrona tamin'i P. aumônier, môpera Mamy sy môpera Crispin tamin'ny sorona masina. Eto aho dia misaotra antsika rehetra izay nifarimbona tamin'ny fanatanterahana ny litorjia. Nanomana ny komity fa nifarimbonantsika ny fanatanterana azy. Isaorana koa ireo nandray anjara tamin'ny zavatra hafa toy fanaovana ny asan'ny akôlita ( frera Fabrice), asan'ny mpiservy (Sébastien) ny mpitendry (Frera Tantely). Isaorana daholo isika rehetra. 

Maherin'ny 40 moa ny isantsika tao amin'ny lamesa satria nisy fianakaviana malagasy izay nifanena tamintsika tany Lourdes (mipetraka any Paris)  nitondra olona tsy salama ka niaraka nivavaka tamintsika tamin'ny lamesa. Tsy hohadinontsika noho izany ny mitondra am-bavaka io olona io, maman'i Ando Michelle izay nanao témoignage tamintsika tao amin'ny lamesa.

Amin'ny alahady 7 mey 2023 dia anjaran'ny Saint Augustin ny manomana sy manentana ny litorjia, ary anjaran'ny M.D.M.K. ny manadio ny fiangonantsika amin'ity volana mai ity.

P. Pascal sj