Alahady 30/07/2023

Miarahaba antsika rehetra !

Nofaranana ny alahady 30 jolay 2023 teo ny taona pastoraly 2022-2023. Tany amin'ny Maseran'ny "Battistine" no toerana nanaovana ny lamesa sy ny fiaraha-misakafo. Nitarika ny Sorona Masina tamin'izany i P. Pascal, niaraka tamin'i P. Désiré. Ankasitrahana ireo rehetra niandraikitra raharaha manokana nandritra ny Sorona masina : tao ny mpiservy (Seba) sy ny mpikirakira ny lafiny teknika isan-karazany, ny mpitaty rakitra,  ny "Fraternità" nanentana ny litorjia niaraka tamin'ny mpitendry (Mr Sylvestre). Misaotra antsika rehetra tonga niara-nivavaka.

Isaorana betsaka ny ekipa tamin'ny fikarakarana ny toerana sy ny fikarakarana ny sakafo. Ny sabotsy tolakandro mantsy dia efa nisy nijerijery ny toerana sy nikarakara ny seza teny an-toerana. Vita iny izay ny taona pastoraly 2022-2023. Mitsahatra kely ny fiarahantsika amin'ny lamesa isaky ny alahady ao amin'ny San Macuto mandritra ity volana aogositra 2023 ity. Manomboka ny taona pastoraly vaovao 2023-2024 indray isika amin'ny alahady 3 septambra 2023 ; toy ny mahazatra dia hanomboka amin'ny 9:30 ny lamesa ao amin'ny San Macuto amin'io andro io. Anjaran'ny "Saint Augustin" ny manomana sy manentana ny litorjia.

Fetin'ny Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo, mpiaro ny "Cappellania" ntsika, ny 21 aogositra. Tsy hohadinontsika ny hankalaza izany any am'izay misy antsika any, entanina indrindra indrindra isika mba hanamafy ny vavaka ho an'ny fananganana azy ho Olomasina ; mila azy ho fakan-tahaka isika. Amin'ny 8 oktobre 2023 vao ankalazaintsika miaraka io fety io, fetin'ny Ankohonantsika. Tsy maintsy hitady toerana malalaka eto Roma anefa isika hankalazana io fety io. Hampitaina amin'ny fampitam-baovao ihany ny toerana  hanaovantsika izany.

Mirary fialan-tsasatra ho antsika rehetra any amin'izay misy antsika rehetra any.

P. Pascal sj