Mamerina ny fiarahabana antsika rehetra tratry ny fetin'ny Noely androany 25 desambra 2024. Ny fahatongavan'i Jesoa zazakely anie hanenika fitiavana ao anaty fontsika tsirairay avy. Vory niaraka nankalaza izany isika androany ka i P. Pascal no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin'ireo pretra tonga tao : P.P. Eugène, Frésie, José, Olivier, Luc, Nicolas. Diakra Rémi no teo amin'ny fandraharahana masina. Nitambarana ny fandredonana hira sy ny litorjia ; nanampy tosika tamin'izany ireo efa vonona handrafitra sy hamolavola ny "Coro" n'ny Ankohonana Rasoamanarivo. i Hervé sy i Solo no teo amin'ny zavamaneno. Misaotra antsika rehetra niara-nientana nankalaza ny fahaterahan'ilay Zanak'Andriamanitra.
Amin'ny alahady 29 desambra 2024 izao dia hankalaza ny "Fianakaviana masina" (D) isika, ka ny Fraternità no hanomana sy hanentana ny litorjia.
Araka ny nampitaina tany am-piangonana androany dia tsy ho eto Roma ny "aumônier" ato ho ato fa ho any Madagasikara. Mijanona any izy mandritra ny volana janoary ka ny 8 febroary tolakandro tafaverina eto Roma indray. Mandritra izany dia handeha araka ny nandaminana azy ny programan'ny Ankohonana eo ambany fitaritana sy fiahian'ireo komitiny. Môpera Eugène (Bellarmino) no hisolo toerana ny "aumônier" mandritra izany vanim-potoana tsy maha eto Roma azy izany.
Mirary soa antsika rehetra !
P. Pascal, sj