Vaovao 01/11/2023

Miarahaba antsika rehetra !

Alarobia ny 01 nôvambra teo, saingy fankalazana manetriketrika ny Olomasina rehetra. Nisy lamesa noho izany teny amin'ny fiangonantsika San Macuto (Bellarmino). P. Pascal no nitarika, niaraka tamin'i P. Joslin. Francel no niandraikitra ny raharahan'ny mpiservy. Niarahana ny litorjia. Misaotra antsika rehetra. Taorian'ny lamesa, ho an'izay afaka, dia nisy famangiana ny fasana misy an'i môpera Paul Louis Rafanomezantsoa tany Verano.

Momba ny filazam-baovao tamin'io 1 nôvambra io dia natitraterina ireo vaovao izay vao avy nampitaina tamintsika tamin'ny "Alahady 29/10/2023". Tsindriana manokana eto ny fotoanantsika amin'ny alahady 5 nôvambra 2023 izao, dia ny batemin-janaky Mr Rado sy Mme Caroline any Orte. Eny amin'ny St Tiburtina ny fotoanantsika izay handray "treno" amin'io andro io, amin'ny 8:30.

Mirary soa antsika rehetra !

P. Pascal sj