Vaovao 24-25 /12/2023

Miarahaba antsika rehetra tratry ny noely 2023 !

 

Vory niara-nankalaza ny alahady faha-4 amin’ny Fiaviana (B) isika ny 24 desambra 2023 teo. Môpera Faly no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin’i môpera Joslin, izay sady teo amin’ny fitendrena zava-maneno. Ny ELVIR no nanomana sy nanentana ny litorjia. Taorian’ny lamesa dia nisy fianarana sy famerenan-kira ho fankalazana ny noely 25 desambra 2023. Nisy ihany koa tamin’io fotoana io ny famonosana mialoha ny tolotra kely izay nozaraina ny 25 desambra hanamarihana manokana  ny noely. Misaotra antsika rehetra niara-nisalahy nanomana ny 25 desambra 2023. 
Nankalaza ny noely isika ny alatsinainy 25 desambra 2023. Môpera Pascal no nitarika ny lamesa, niaraka tamin’i môpera Faly, Etienne ary Frésie. Amin’ ny maha-fety lehibe azy dia nifarimbonana ny fanatanterana ny litorjia. Mr Hervé no teo amin’ny fitendrena zavamaneno. Seba sy Francel no nanao ny andraikitry ny mpiservy. Isaorana isika rehetra tonga maro nankalaza ny fahaterahan’ny Mpamonjy. Tonga maro isika na dia voafetra ny ora fandehanan’ny bus tamin’io andro io.

Fampahatsiahivana : ny alahady 7 janoary 2024 no hanaovantsika ny fifampiarahabana tratry ny taona vaovao 2024. Any amin’ny tranon’ny Paroasy Nostra Signora de la Salette, piazza Madonna de la Salette,1, 00152 Roma no toerana hanaovantsika izany. Mbola homena antsika eto ihany ny antsipirihan’ ny fotoana. Ny sabotsy tolakandro 6 janvier isika d manaingo sy manomana any an toerana. Aza hadinodinontsika ihany koa ny 11 febroary 2024, na dia mbola heverina ho lavitra aza, daty hanatanterahantsika ny vokatra.

Anjaranny MDMK ny fanomanana sy fanentanana litorjia ny alahady 31 desambra 2023.

Amin’ny alatsinainy 1 janoary 2024 dia hisy lamesa hoantsika ao San Macuto, ao amin’ny fiangonantsika, na dia hita mialoha hoe mbola ho reraky ny 31 desambra alina isika. FORZA ! Ifarimbonana amin’io ny litorjia (izay efa voaomana) : MDMK manentana, ELVIR manao ny vak. I, Fraternità ny vak. II ary ataon’ ny ekipa solida (ex saint Augustin) sy relijiozy ny ranombavaka.

Mirary antsika sahady ho tratry taona vaovao 2024

P. Pascal sj