Zoma 08/12/2023

Miarahaba antsika rehetra,

Vita soa aman-tsara ny fanavaozana ny fanomezan-toky nataon'ireo MDMK nandritra ny sorona masina fankalazana manetriketrika an'i Masina Maria Virjiny notorontoronina tsy azon-keloka ny 8 desambra 2023. Môpera Faly, izay zoky am-panahin'izy ireo, no nitarika ny sorona masina, notronin-dry môpera Daudet, Joslin ary Pascal. Seba no teo amin'ny fandraharahana ny asan'ny mpiservy. Ny MDMK izay nanao ny fanavaozana ihany no nanomana sy nanentana ny litorjia, niaraka tamin'i môpera Joslin teo amin'ny fitendrena zava-maneno. Taorian'ny lamesa dia nisy mofomamy isan-karazany sy fialana hetaheta nokarakarain'ireo MDMK. Mirary soa azy ireo hatrany hiroso lalindalina kokoa...

Fampahatsiarovana : Tongava maro rahampitso, 10 desambra 2023, amin'ny récollection hiarahantsika ho fiomanana ny fandraisantsika ny Noely 2023. Hanomboka amin'ny 9:30 ny fotoana ary amin'ny 14:30 ny lamesa famaranana izay ho entanin'ny Relijiozy (Orsoline di Verona).

Mirary soa antsika rehetra ho tratry ny ampitso

P. Pascal sj