Miarahaba antsika rehetra !
Nankalaza ny alahady fahatelo mandavantaona (A) sady alahadin’ny Tenin’And/tra isika ny 25 janoary teo. Môpera Barnabé no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin-dry môpera Fulgence, Toky, Pascal. Ny “Ekipa sôlida” no nanomana sy nanentana ny litorjia ; Prezidà Silvestro sy Mr Stanislas no teo amin’ny fitendrena zavamaneno. Misaotra antsika rehetra.
Ny tolakandro kosa dia nisy ny fotoam-pivavahana ho an’ny firaisan’ny mpino niarahana tamin’ny F.F.K.M. Roma. Tao amin’ny Chiesa San Macuto-Bellarmino ihany no nanatanterahana izany. Taorian’ny vavaka dia nisy fifampizarana sakafo maivana sy fialana hetaheta. Mamerina ny fisaorana antsika rehetra tonga niara-nivavaka ho an’ny firaisan’ny mpino.
Ho an’ny volana febroary 2026 dia anjaran’ny “Fiombonan’ny pretra sy relijiozy” indray no mitady fotoana hanaovan’izy ireo ny fandiovana ny fiangonantsika, Chiesa san Macuto-Bellarmino.
Amin’ny alahady 1 febroary izao dia anjaran’ny M.D.M.K. ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia. Hisy fanolorantena hataon’izy ireo ihany koa amin’io fotoana io. Entintsika am-bavaka dieny izao izy ireo.
Mirary soa ho antsika rehetra,
P. Pascal, sj.