Alahady 02/07/2023

P. Pascal no nitarika ny lamesa ary niaraka nanolotra ny sorona masina taminy koa ry môpera Narindra sy Etienne. F. Simon no nanao ny raharahan'ny diakra. Ny vondrona Saint Augustin no nanomana sy nanentana ny litorjia, niaraka tamin'i P. Joslin teo amin'ny fitendrena zavamaneno. I Seba sy Francel no nanatanteraka ny raharahan'ny mpiservy. Isaorana daholo isika ary ankasitrahana ihany koa ireo nisahana andraikitra manokana toy ny fanatazan-drakitra sy fanomanana ny ôtely. Mankasitra antsika rehetra tonga niara-nivavaka nankalaza ny andro alahady.

Fotoana farany nanaovan'i F. Simon ny raharaha amin'ny maha-Diakra azy teto amin'ny Ankohonana moa io ka nanaovany veloma. Nisaotra azy ihany koa ny Ankohonana ary nirary soa ho azy. Hohamasinina ho Pretra any Ambositra izy amin'ny 6 aogositra 2023, ao amin'ny kolejy Saint Louis, ka manasa antsika izay ho afaka hanotrona any.

Nanatontosa ny fanononana ny voady mandrakizay ry Masera Félicité sy Adeline ny alahady 02/07/ 2023 tolakandro, samy ao amin'ny Fikambanan'i masera Hospitalières de la Miséricorde  izy ireo. Miarahaba sy mirary soa azy ireo isika. 

Anjaran'ny Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia amin'ny alahady 09/07/2023. Anjaran'ny Fraternità ny mandio fiangonana amin'ity volana ity ka izy ireo no hitady sy handamina ny fotoana hahafahan'izy ireo manao izany.

Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra

P. Pascal sj