Alahady 09/07/2023

Môpera Narindra no nitarika ny lamesa tamin'ny 09 jolay 2023, niaraka nanolotra no sorona masina taminy ry môpera Barnabé sy Pascal. Nanatanteraka ny raharahan'ny mpiservy i Francel. Anjaran'ny Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy ny fanentanana ny litorjia ka ny Maseran'ny Ragusa no nanatanteraka izany. Misaotra antsika rehetra ary ankasitrahana koa ireo nikarakara sy nanomana ny ôtely, nitaty rakitra...sns. Misaotra antsika rehetra izay tonga niara-nivavaka.

Amin'ny alahady 16 jolay 2023 dia anjaran'ny M.D.M.K. indray ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia.

Mifarana amin'ny alahady 30 jolay ny fiarahantsika mivavaka amin'ny alalan'ny lamesa amin'ity taona pastoraly ity. Tsy misy lamesa gasy izany ao amin'ny San Macuto mandritra ny volana Aogositra 2023. Samy mivavaka any amin'ny paroasy akaiky azy any. Manomboka ny taona pastoraly vaovao indray isika ny alahady 3 septambra 2023 amin'ny 9:30 ao amin ny San Macuto (Bellarmino).

Amin'io alahady 30 jolay 2023 io, famaranana ny taona pastoralintsika, dia hatao any amin'ny Maseran'ny Batistinina ny fihaonantsika : lamesa, sakafo atoandro, korana (via del Casale di San Pio V, n°1). Amin'ny 9 ora ny fiandrasana antsika any an-toerana ary mandao ny toerana isika amin'ny 5 ora sy sasany. Toy ny mahazatra antsika dia samby mba mivimbina kely hifampizarana amin'ny sakafo. Hisy fitonoan-kena ihany koa any ka afaka mivimbina hena na trondro hatono. Mbola ho aroso amintsika eo ihany ny antsipirian'ny fandaharam-potoana amin'io andro io.

Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra

P. Pascal sj